Mbola mangingina ny resaka toekarena mifototra amin’ny ranomasina (économie bleue) eto Madagasikara. Maro anefa ny firenena efa lasa lavitra tamin’ny fampandrosoana io sehatra io. Anisan’ireny ny nosy Maorisy sy Seychelles izay tena nanao ho zava-dehibe ny fampandrosoana miainga amin’ny fitrandrahana mitodika amin’ny ranomasina.
Resahana ao anatin’ny “économie bleue” ny resaka fanodinana sy fiompiana ny hazandrano izay betsaka eto Madagasikara. Ankoatr’izay ny solitany any ambanin’ny ranomasina izay miteraka harena be ho an’ny Malagasy, ny fanamboarana sambo, ny tombontsoa hafa ateraky ny ranomasina ( tahaka ny climatisation par l’eau de mer) izay mandrafitra io sehatra io. Ny fitrandrahana sy fampandrosoana mitodika any amin’ny tontolon’ny ranomasina io dia hiteraka fiaingan’ny toekarena amin’ny fotoana fohy ho an’i Madagasikara noho izy manana ranomasina maro. Fantatra ihany koa fa anisan’ny nampandroso haingana an’i Inde sy Amerika ny fanamboarana sy fananana sambo maro izay nampiroborobo ny tsenan-dranomasiny (commerce maritime). Tsy vitan’ny hoe hiteraka fampandrosoana vetivety ihany io sehatra io fa hitondra fampivoarana tontolo vaovao izay mbola mangingina eto Madagasikara ka hiteraka famoronan’asa maro araka izany. Tsy mijanona fotsiny amin’ny resaka jono mantsy io sehatra io fa resahana ao koa ny fanodinana sy ny fiompiana ny hazandranomasina, ny asa maro any amin’ireny seranan-tsambo ireny, ny angovo azo havaozina, ny fizahantany. Tokony hijery sehatra hafa tahaka itony ny Malagasy raha te handroso haingana fa tsy variana foana amin’ny sehatra fambolena fotsiny. Hawai izao niala mihitsy tamin’ny fambolena fary ary nitodika tanteraka tamin’ny fampandrosoana miainga amin’ny ranomasina. 2,6 miliara Euro na 9 602 500 000 000 Ar sahady ny vola efa mihodina amin’izany ary nampanankarena azyizany. Hitarihana izany anefa dia mila fahamatorana sy fandraisan’andraikitra avy amin’ny mpitondra ary indrindra fahaiza-mitantana izay tsy misy aloha amin’izao eto Madagasikara.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.