Toekarena

Toekarena marin-toerana sy maharitra Maro ireo tanjona tsy maintsy tratrarin’i Madagasikara


  • Alakamisy 23 Aogositra 2018

Marefo ny toekaren’i Madagasikara ary tsy marin-toerana ny harifaobe. Misy ny fetra ezahina raha tiana ho tojo ny fampandrosoana ny firenena Malagasy.

 

 Tsy tokony ho latsaky ny 5% isan-taona  ny fitomboan’ny harinkarena isan-taona. 4,3% ny an’i Madagasikara tamin’ny taona 2017 ary ahiana hatrany ny fihenan’io tarehimarika io amin’ny faran’ny taona 2018. Ankoatra izay dia tokony hidina hatrany ny tahan’ny fidangan’ny vidim-piainana. Mihasalama ny toekarena raha tafidina hatrany amin’ny 5% any io taha io. 7,7% ny tahan’ny fahafosan’ny vidim-piainana eto Madagasikara tamin’ny taona 2017 izay mahatonga ny laharan’i Madagasikara manakaiky ny farany hatrany. Ny fananana tahirim-bola vahiny ao amin’ny banky foibe dia miteraka fahamarinan-toeran’ny toekarena. Azo atao izany amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fanondranana vokatra Malagasy sy ny fampidinana ny fanafarana entana vahiny. Tsy maintsy ampiakarina ihany koa ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny hetra. Tokony hanome 12% amin’ny harinkarena faobe farafahakeliny ny tahan’ny fampidiran-ketra raha tiana hanomboka hiainga ny fampandrosoana ara-toekarena. Etsy an-daniny, tsy maintsy ampiroboroboina ny fampiasam-bola atao eto amin’ny firenena ka hisy akony tsara amin’ny harinkarena faobe. Azo tanterahina tsara ireo saingy ny finiavana sy ny fitiavan-tanindrazana mihitsy no tsy misy amin’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena.


Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT