Toekarena

Toekarena marary Ny fampiroboroboana ny tsena anatiny no vahaolana


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Latsaka an-katerena vokatry ny valanaretina “coronavirus” isika eto Madagasikara.

 

Sehatra maro no voatohintohina ka mahatonga an` izao fihenan` ny fidiram-bola amin` ny fanjakana izao, toy ny fizahan-tany, ny varotra sy ny indostria ary ny fitaterana. Hihena 5 000 miliara ariary izany raha novinavinaina ho 7 036,86 miliara ariary tao anatin` ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR) ho an`ny taona 2020. Mbola misy ihany koa ny vola mitentina 724 miliara ariary tsy maintsy nampiasaina eo amin`ny fiahiana ara-tsosialy. Azontsika ho raisina ho tsara kosa anefa ity krizy ity satria hanery antsika hamokatra bebe kokoa hahazoantsika manokatra ny tsena anatiny mihoatra amin’ny tsena iraisam-pirenena.Hanavotra miandalana ny toekarena ny fanjifana ny vokatra anatiny. Mila tetikady, fahaiza-manao, ilana fitaovana izay hanentanana ny sehatra tsy miankina sy ny fitondram-panjakana anefa izany mba hisian’ny atao hoe “dynamisme économique”. Ilana renivola ihany koa: olana goavana moa ny fananana renivola ampiasaina eto Madagasikara. Iaraha-mahalala ny fahambonian’ny zana-bola, 16 hatramin’ny 18% amin’ireny banky ireny ka tsy mamparisika ny Malagasy. Ny fananana renivola anefa no antoky ny fampiodinam-bola izay miteraka harena avy eo. Tokony hohamoraina tanteraka ny fomba ahafahana mahazo vola amin’ny Banky eto amintsika. Niova tanteraka ny zava-misy manerana izao tontolo izao, ka tsy tokony hiantehitra be intsony amin’ny fanampiana avy any ivelany i Madagasiara fa mamokatra sy mivelona amin’ny zavatra vokariny.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT