Toekarena

Toekarena malagasy Marary tanteraka, efa anaty fanairana mainty


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Efa tsy fanairana mena intsony fa tena mainty mihitsy no mitranga amin’ny toekarena Malagasy ankehitriny,

 

 hoy ireo mpampianatra mpikaroka momba ny toekarena sy ireo mandranto sy efa nandranto fianarana momba izany rehetra teny Ankatso omaly. Latsaka ambany dia ambany i Madagasikara, hoy izy ireo, amin'ny lafiny maro ary mitotongana foana ny harinkarena isam-batan'olona, satria raha tany amin'ny 440 dolara tany amin'ny taona 1992 dia 415 dolara izy faran'ny taona 2016, araka ny tarehimariky ny Banky Iraisam-pirenena. Raha 76,5% ny taham-pahantrana ny taona 2005, 71,5% izany tamin'ny 2010 (tarehimariky ny Instat) dia mbola niharatsy hatrany ny toe-javatra satria tafakatra 79,7% tamin'ny 2014 raha ny fanadihadiana natao tamin'ny laminasam-pikarohana Nopoor nataon'ny oniversite. Anaty haizim-pito mangitsokitsoka no mbola hidiran'i Madagasikara raha ny eo amin'ny tontolo iraisam-pirenena, indrindra, momba ny vidin-tsolika amin'ny taona 2018 ary ahiana hiakatra ambonin'ny 65-70 dolara  (64 dolara izy novambra 2017) raha 50-55 dolara izy tamin'ny voalohandohan'ny taona 2017. Vokatry ny loza voajanahary, hain-tany, indrindra indrindra, tamin'ny taona lasa, dia latsaka ambany dia ambany ny vokatra.

Singanina manokana ny vary

Ny vary no singanina manokana, hoy hatrany ny fanambarana, ary mbola hitohy izany. Midika avy hatrany ireo fa mbola hitohy ny fidanganan'ny vidim-piainana amin'ny taona 2018. Ireo lalàna vao navoaka, indrindra, ny momba ny ZES (Zone Economique Spéciale) dia manamafy orina ny lanja midina ho an'ireo mahantra indrindra satria tsy maintsy hisy ny fifindra-monina. Na mety hiteraka fiharian-karena aza izany dia mbola hita tamin'ny fikarohana natao tao anatin'ny lamin'asa Nopoor fa tsizarizary ny asa ary mora handairan'ny krizy ny mpiasa amin'ireny toerana ireny. Mbola loza mihantona amin'i Madagasikara ny korontana tsy an-kijanona araka ny boky natontan'ny mpikaroka hafa avy any ivelany izay niarahana niasa ihany koa tamin'ny laminasa Nopoor noho ny fitiavan-tenan'ireo lazaina ho “elita”. Miombon-kevitra amin'ireo Raimandreny ao amin'ny FFKM koa izahay, hoy ireo mpikaroka, ary ny antontan'isa eo amin'ny sehatra iraisampirenena no manamafy an'izany amin'ny fielezan'ny kolikoly. Manaitra indrindra ny olom-pirenena amin'ny tokony handraisany andraikitra na hiomanany amin'ny toe-javatra ara-toekarena izay amin'ny ampahany tsy azo hihodivirana. Miangavy ny tompon'andraiki-panjakana isan-tsokajiny haka ny fepetra tandrify azy satria efa manambana ny loza mety hahazo ny firenena.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT