Fanapahan-kevitra telo lehibe manodidina ny toekarena no noraisina tamin`ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo.
Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny komity iraisana amin`ny minisitera misahana ny fanadiovana amin`ny sehatry ny andramena. Manomboka izao dia ny minisiteran`ny tontolo iainana no hanara-maso izay sehatra izay. Etsy an-kilany, ny herinandro lasa teo, nisy ny tolo-kevitra tamin`ny fandaniana ny volavolan-dalàna manome ny famatsiam-bola manamboatra ireo tetezana ao amin`ny reniranon`i Mangoky. Volavolan-dalàna izay nolanian`ny filakevitry ny minsitra. Famatsiam-bola mitentina folo tapitrisa dolara izy io . Farany, voadinika tao ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola taona 2020 izay hatolotra eny anivon`ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona, araka ny voafaritry ny lalàna. 11,5% ny tahan’ny fampidiran-ketra hotratrariny amin’ny taona 2020, 5,5% ny tahan’ny fitombon’ny harinkarena amin’ny taona 2020 ary 2,8% ny fitotongan’ny harinkarena faobe. 20,8% ny tahatombon’ny fampiasam-bola miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana heverina amin’ny taona 2020.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.