Toekarena maitso, angovo, fampianarana,…

Vita ny resaka ambony latabatra tamin’i Slovénie…


  • Alarobia 04 Jona 2025

Noraisin’ny tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar omaly,

ka nandritra ny fihaonana manokana naharitra iray ora teo ho eo, dia niresaka lalina momba ny lafiny maro amin’ny fiaraha-miasa ny Filoha roa tonta. Nofaranana tamin’ny sonia fifanarahana na « mémorandum d'entente » momba ny fifampiresahana ara-politika tsy tapaka teo amin’ny firenena roa tonta. Tsy fifanarahana manery ara-dalàna izany, fa mametraka rafitra ahafahan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Malagasy sy Slovenina miresaka am-pilaminana sy amin’ny fomba maharitra, amin’ny tanjona hanamafisana ny fifampitokisana sy ny fifankahazoana amin’ny lafiny politika. Manokatra varavarana ihany koa izany ho amin’ny fiaraha-miasa ara-sehatra amin’ny ho avy, hoy ny seraseram-panjakana. “Tianay ny hanangana fiaraha-miasa maharitra amin’i Madagasikara”, hoy i Pirc Musar. Nandritra ny kabariny, nilaza ny Filoha Slovenina fa firenena namana i Madagasikara amin’ny fijerin’ny fireneny, ary anisan’ny tanjona amin’ny fitsidihany ny hananganana fiaraha-miasa azo antoka sy maharitra. “Niresaka amin’ny Filoha Rajoelina izahay momba ny fampandrosoana, fanampiana maha-olona, fanabeazana, ary indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana,” hoy izy. Notsiahiviny ihany koa fa maro ireo sehatra ahafahan’ny manampahaizana Slovenina mifandray sy miara-miasa amin’i Madagasikara, indrindra amin’ny lafiny fiarovana ny zavaboary, loharanon-karena havaozina ary fitantanana maharitra ny rano. Telo ireo zavatra fototra nivoitra tamin’ny fifampiresahana: Fampandrosoana lovain-jafy sy fiovan'ny toekarena maitso, izay efa malaza amin’ny fahaizany i Slovenia, Fanamafisana ny fahaiza-manao sy fanohanana ny vehivavy sy ny tovovavy amin’ny alalan’ny fifanakalozana traikefa, vatsim-pianarana, ary fanohanana ny sokajin’olona marefo, Famerenana amin’ny laoniny ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra laharam-pahamehana toy ny fiovàna ara-agovo, fiarovana ny tontolo iainana, fanodinana ara-indostrialy ny vokatra ara-pambolena, fiantohana ara-tsakafo, fampiroboroboana ny tanàna ambanivohitra, ny fahasalamana, ary ny fanabeazana. Ny resaka ambony latabatra no vita fa ny fanatanteraha no asa ? Andaniny, nisongadina tamin’ny lahatenin’ity Filohan'ny Repoblikan'i Slovénie ity ny anaran'i mopera Pedro sy ny fametrahany ho zava-dehibe ny asa vitany. Vao miresaka Mopera Pedro Opeka, dia ny resaka fahantrana, fiahiana ireo mahantra,… ka ity farany sy ny fahantrana izany no zary isan’ny tandindon’i Madagasikara any ivelany, ary izay mpitondra ambony eran-tany mandalo eto toy ny Papa Fransoa fony tonga teto, ny Filoha Frantsay vao farany teo, ny Filoha Slovenina,… dia saika manatona sy mihaona aminy. Anio dia hitsidika sy hitokana sekoly vaovao eny amin'ny AKAMASOA vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny roa tonta ramatoa Natasa Pirc Musar satria voasokajy ho isan’ny Misioneran’i Slovénie manao asa soa eto i Mopera Pedro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT