Toekarena

Toekarena eto Madagasikara Iza no filoha afaka hanarina izany ?


  • Alatsinainy 05 Novambra 2018

Hiaraha-mahita fa tsy tafavoaka i Madagasikara manoloana ny zava-misy ara-toekarena ankehitriny.

Tsy mbola miainga ny toekarena amin'ny ankapobeny raha tanisaina ireo tsy fahafaham-po miseho etsy sy eroa. Anisan`ny sehatra niteraka resa-be sy adihevitra teto amin'ny firenena ny fihenan-danja) na Fampihenan-danja ny vola malagasy mitranga. Amin'ny ankapobeny dia miankina amin'ilay antsoina hoe MID na “Marché Inter-bancaire de Devise” na Tsenam-bola vahiny eo anivon'ny Banky foibe ny sandan'ny Ariary satria raha be ohatra ny entana izay aondrana any ivelany ka mitombo ny vola vahiny miditra eto sady mampihena ny vidin'ny vola vahiny izany ary mampiakatra kosa ny Ariary raha ny lalàn'ny tolotra sy ny tinady. Saingy amin'ny ankapobeny dia ny fanafarana (importation) entana avy any ivelany no tena misongadina ka voatery mitady vola vahiny ny mpandraharaha ary izany no mampihen-danja ny Ariary. Tsy mitsahatra ny mamono tena ny Ariary ary mitotongana ny fari-piainan'ny Malagasy. Mbola miezaka hatrany ny fitondram-panjakana manao izay handresen-dahatra ny mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara mba hisian'ny famatsiam-bola farany izay haingana azo hatao. Maro ireo sehatra no tsy ahitana mangirana toy ny famoronana asa, ny tsy fandriampahalemana izay tsy mbola mivaha tanteraka. 92% ny malagasy no milomano ao anaty fahantrana na dia ambara matetika aza fa manankarena i Madagasikara amin'ny lafiny maro. Iza amin`ireo kandidà no handray fanapahan-kevitra mazava amin`ny fampiakarana ny sandam-bola malagasy ahafahan'ny vahoaka mamorona asa raha tsy afaka hamorona ny fanjakana ? Rahoviana vao no azo ialana ny fanafarana solika avy any ivelany ka mampiankin-doha lava izao antsika amin'ny mpanjanaka, isika anefa efa tafiditra ao anatin'ny firenena mpamokatra solika ? Mba rahoviana ny Malagasy vao mba afaka hioty ny harena maro eto amin'ny tany fa toa mandeha ho azy ny volamena, sokatra, andramena, vatosoa ... nefa tsy mbola naheno isika fa naverina any amin'ny kitapom-bolam-panjakana izay tratra fa toa manjavona avokoa. Iza re no mba hanolo-tena ka hanadino ny tombontsoa manokana fa mba hijery ny ho an'ny daholobe amin'ny fanatanterahana ny asa izay hataony mandritra ny fitondrany ? Mila mifidy mpitondra izay mahatsilo ny firenena, tsy hoe hiady amin`ireo firenena fa hametraka ny tombontsoa ambonin`ny firenena Malagasy alohan`ny tombontsoany manokana sy alohan`ny tombontsoan`ny firenena izay milaza fa manampy antsika.

 

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT