Toekarena

Toekarem-pirenana Reraky ny krizy


  • Talata 12 Janoary 2021

Ny taona 2020 dia tsy isalasalana fa taona sarotra ho an' ny toekarena eto Madagasikara.

 

 

 Very sy namono ny fitomboana ara-toekarena folo taona ary niverina tamin'ny ambaratonga voalohany tamin'ny taona 2009 isika. Araka ny voafaritra tao anatin` ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR) taona 2020., dia naminavina hatrany ny governemanta fa ho 0,8% ny tahan` ny fitomboana (taux de croissance) na teo azan y valanaretina Covid-19. Nihena ho -3,8% anefa izany noho ny fanitarana ny fanakatonana ny sisin-tany ka nitotongana ny toekarem-pirenena tamin'ny volana oktobra lasa teo. Izany dia vokatry ny fikorontanana eo amin'ny varotra iraisam-pirenena sy ny valanaretina ka nidina ny fidiram-bola avy any ivelany ary koa ny fampiasam-bola tsy miankina. Nandritra ny tapany voalohany tamin'ny taon-dasa, 64% ny isan-tokantrano no nitatitra fa very ny fidiram-bolany, ary 97% amin` ireo orinasa dia nanamarika fa nihena ny fangatahana ny vokatra sy asa ataon` izy ireo. Raha ny tatitra nataon` ny PNUD ny volana jolay lasa teo dia tafidina 280 dolara ny fidiram-bolan` ny olona iray, salanisa amin`ny ankapobeany noho ny valanaretina Covid-19 sy antony maro, raha toa ka 410 dolara izany ny taona 2016. Na eo aza ny fiantraikan'ny areti-mifindra, ny governemanta dia manambara ny famerenana amin'ny laoniny ny toekarena amin` ity taona ity. Saingy miantraika ay amin` ny isam-batan`olona mivantana izany fahavoazan` ny toekarena izany ka na eo aza ireo harena eto amin`ny firenena tsy mahavita mitrandraka izany hisian` ny fampandrosoana maharitra ny fanjakana.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT