Toekarena

Toamasina Mitombo isa ireo orinasa goavana


  • Talata 02 Martsa 2021

Mitombo isa ireo orinasa goavana ao Toamasina. Nanokatra ny masoivohony ao Amboditandroho ihany koa mantsy ny orinasa Star.

 

 

 Omaly Alatsinainy 01martsa no notanterahina ny fanokanana tamim-pomba ofisialy ireo foto-drafitrasa vaovao tany an-toerana. Teo ambany fiahian-dRamatoa Lantosoa Rakotomalala, Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa Tanana no notanterahina ny lanonana. Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana kosa ny tale jeneralin’ny Star Andriamatoa Marc Pozmentier sy ny mpiara-miasa aminy ary ireo manam-pahefana ao Toamasina.Tsiahivina moa fa tao Ivondro no nisy ny masoivohon’ny Star teo aloha. Ho an’ity masoivoho vaovao ity dia velaran-tany 6.000 m² no hametrahana entana sy akora fototra, 16.500 m² ny fipetrahan’ny fiara lehibe ary 2.000 m² kosa ny fipetrahan’ny fiara kely, ny moto ary ny mpandeha an-tongotra. Misy ihany koa ny toerana natokana hitateran-drano. Inoana araka izany fa hanatsara ny toe-karena ao Toamasina ny fisian’izao foto-drafitrasa vaovao izao.

 

 Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT