Toekarena

Toamasina Miezaka manatsara ny toekarena anatiny ny BNI


  • Sabotsy 06 Mey 2017

Hifarana anio ao Toamasina rehefa naharitra telo andro ilay hetsika ara-toekarena tanterahina manoloana ny araben’ny fahaleovantena.

  Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny banky BNI Madagascar izay niezaka nampahafantatra ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena. Efa manana masoivoho am-polony rahateo izy any amin’iny Faritra Atsinanana iny miampy ny guichets automatiques. Anisan’ny mampiroborobo ny toekarena any an-toerana rahateo izany sady mamaly ny filan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Anisan’ny nampiavaka ity banky ity tamin’ireo tranoheva hafa moa ny fahafahany nihaona mivantana tamin’ny mpamokatra sy ny mpivarotra ary ny olon-tsotra. Teo ihany koa ny fampahafantarany ireo karazana tolotra mifanaraka amin’ny fivoaran’ny toetrandro izay fantatra fa tena mahaliana olona marobe tokoa amin’izao fotoana izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT