Toekarena

Tiko, Magro … Nodorana nefa tsy levona


  • Sabotsy 27 Janoary 2018

Feno sivy taona katroka omaly ny Alatsinainy Mainty nitranga ny 26 janoary 2009, nisian’ny fandrobana, fandoroana ary nahapotika orinasa marobe teto Madagasikara nandritra ny fanonganam-panjakàna notarihin’i Andry Rajoelina ny taona 2009.

Lasibatra voalohany tamin’izany ny haino amanjerim-panjakana RNM sy TVM, niitatra tamin’ny orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana Tiko, Magro ... Nisy omaly ny fiaraha-mivavaka niarahan’ireo tompon’andraikitry ny orinasa Tiko-AAA tarihan’ny tale jeneraliny Lanto Rabenatoandro sy ny mpiasa rehetra, notanterahina tao amin’ny Magro Behoririka. Nifampizarana ho vatsim-panahy nandritra izany ny hoe : “tsy toetsain’ny mpandresy ny valifaty”. “Raha ny lalana nodiavin’ny TIKO dia tsy tokony hisy intsony ity orinasa ity, saingy nampanantena fandresena Andriamanitra nampijoro antsika”, hoy ny tale jeneraly Lanto Rabenatoandro. Nanatanteraka fotoam-bavaka avokoa, io omaly io, ny rantsan’ny Magro Tanjombato, Bahoririka, Toamasina, Mahajanga ary Antsirabe.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT