Toekarena

Tiko AAA Mpiasa 702 nalefa “chômage technique”


  • Zoma 23 Martsa 2018

Tsy namelan`ny fanjakana raha tsy rava tanteraka ny orinasa Tiko AAA. Vokatry ny fahirano nataony dia voatery nanao fiatoana ara-teknika ity orinasa ity. Manomboka androany alakamisy 22 martsa 2018(ndlr:omaly) dia manao fanambarana ofisialy izahay mpisolovava an`ny orinasa AAA fa tsy maintsy hizotra any amin`ny fiatoana teknika ny orinasa, hoy Ratefimahefamijoro Dimin`Eloi.

Voasazy daholo ireo mpiasa 702 amin`ny 850 miampy ireo mpamatsy sy tantaha mpamokatra miisa 4000 ary ireo mpivarotra maherin`ny 10 000.  Araka ny lalàna mifehy ny asa dia enim-bolana ihany ny fetran’ny “chômage technique” ara-dalàna ary ao anatin`izay no hikarohana vahaolana. Nanambara hatrany ity mpisolovava ity fa ny antony nanakatonana ny orinasa dia ny tsy fananana “Permis environnemental” sy “permis d`exploitation” izay efa nangatahana. Ireo  dia efa nanaovana fangatahana ara-dalàna tamin`ny oktobra 2017 kanefa tsy mety namoaka ny fanjakana hatramin`izao. Tao anatin`ny dimy volana dia maro ny antsojay natao tamin`ity orinasa ary izao tonga tamin`ny tanjona niriany.  Marihana fa misy orinasa mitovy tranga an`ity orinasa ity nefa mahazo mamokatra sy mihodina. Iza no mahazo tombony amin`izao fandravana orinasa izao ? Aiza ho aiza ny fandraisan’andraikitra raisin`ny minisitera mpiahy ? Potika tanteraka, araka izany, ny orinasa Malagasy ary dia mitazam-potsiny ny fanjakana Malagasy.  Hita taratra kosa fa misy tetika politika lalina ao anatin’izao raharaha izao. 


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT