Toekarena

Thierry Raveloson “Mitongiana ny Fampandrosoana isam-paritra”


  • Talata 08 Septambra 2020

Araka ny nambaran` ny filoha Rajoelina ny alahady lasa teo dia ““mialohan` ny faran` ny taona ny fifidianana loholona ary hihena 18 no isan` izy ireo”.

 

 

]

 Nitondra ny heviny kosa ny loholona Thierry Raveloson ka nambarany fa mampisalasala be ny fanapahan-kevitra hoe 18 ny isan` ireo loholona ka farafaharatsiny mba natao nitovy tamin` ny isan` ny faritra. “Ohatra: faritanin`i Antsiranana dia roa ny faritra. Fianarantsoa miisa dimy. Ka raha atao roa isaky ny faritany dia iza no hananana ka iza no tsy hanana solontenana? Samihafa ny asan` ny solombavambahoaka sy ny loholona. Ity farany mantsy no solotenan` ireo faritra. Mazava fa tokony zaraina mitovy ny faritra”. Lazaina hatrany fa fitsinjaram-pahefana tena izy no apetraka kanefa mifanipaka amin` izany no resahina, hoy ihany izy. Notsipihany manokana fa mitongilana ny fitsinjaraham-pahefana eto amintsika kanefa io no efa nahatonga fihetsehana be dia be raha jerena ny tantara teto amin` ny firenena toy ny fifampizarana ny fahefana. Ankoatra izay, raha nanontaniana kosa ity loholona ity no sady filohan` ny vondrona parlemantera HVM eo anivon` ny Antenimierandoholona, mahakasika ny ady ataony momba ny vaomiera ikambanana kanefa tapitra amin` ny faran` ny taona ny fe-potoam-piasanan` ireo loholona, dia nambarana fa “ny raharaham-pirenena dia tsy tapitra amin` ny fe-potoam-piasana ary ny ho avy no jerena. Ny hampirindra sy hampilamina ny firenena no jerena. Tsy fanarahan-dalàna no efa tany am-boalohany ka tsy vao androany vao hisy fiovana . Ny iriantsika dia hiova amin` ny tsaratsara na dia hita fa mifanohitra amin` izany ny zava-misy”. Marihana fa amin` ny 20 febroary 2021 no tokony ho tapitra ny fe-potoam-piasan` ny loholona.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT