Toekarena

THB Tour any Antsirabe Mihoatra ny 100.000 ireo olona andrasana


  • Alarobia 05 Aprily 2017

Hafotaka indray ny ao an-tanànan’Antsirabe mandritra ny fankalazana ny fetin’ny paska ho avy izao. Hotanterahina any an-toerana ny 15 ka hatramin’ny 17 aprily ho avy izao mantsy ilay THB tour andiany faha-12 karakarain’ny orinasa Star.

 

 Eo amin’ny kianjan’ny fahaleovantena no hanatontosana izany hahafahan’ny mpianakavy miala voly araka ny tokony ho izy, hiarahana amin’ireo mpanakanto marobe  toa an’i Arnaah, Big Mj ny andro voalohany,  ahitana an’i Pit Leo sy Mr Sayda ny andro faharoa izay hofaranan’i Nina’s amin’ny hariva raha i Lôla kosa no hamarana azy tanteraka amin’ny andro fahatelo, izany hoe ny alatsinain’ny paska. Hampiavaka ny lanonana raha araka ny fanazavan-dRamanankoraisina Setra, tompon’andraikitry ny fikarakarana ny lanonana eo anivon’ny vondrona Star ny fisian’ireo karazana fifaninanana maro samihafa. Anisan’ireny ny chorégraphie izay azon’ny rehetra handraisana anjara raha maimaimpoana ny fisoratana anarana. Manomboka amin’ny 50.000 Ar ka hatramin’ny 400.000 Ar ny sandan’ny loka miandry izay mivoaka ho mpandresy. Mihoatra ny 100.000 isa kosa ireo vahiny andrasana. Mikasika ny fandriampahalemana manokana dia zandary sy tafika ary polisy manodidina ny 130 ka hatramin’ny 150  isa no hohetsehana ho fiarovana ny aim-bahoaka.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT