Toekarena

Tetikasa “Week end startup” Tanora 80 mianadahy nahazo tombontsoa tany Mahajanga


  • Sabotsy 05 Mey 2018

Tanora 80 mianadahy indray no nahazo tombontsoa tamin’ilay tetikasa Week end startup notanterahina tany Mahajanga nanomboka ny 27 ka hatramin’ny 29 aprily lasa teo.

 

 Vondrona mpandraharaha maro no nanohana izany  izay manana tanjona hampianatra ny tanora ny fikirakirana ny teknolojia avo lenta eto amintsika mba tsy ho sakana amin’ny asa izay hotanterahin’izy ireo any aoriana. “ Improve your city” no lohahevitra noraisin’izy 80 mianadahy izay miantefa betsaka amin’ny fampandrosoana maharitra azo tanterahina ao Mahajanga ho tombontsoan’ny mponina iray manontolo. Roa andro mahery no fotoana nomena ireo mpifaninana tamin’ny fanomanana ka nanoloran’ny tsirairay avy ny tetikasany. Vola mitentina 1 tapitrisa Ar no natolotra ho an’izay nibata ny amboara. Ny fanaovana fiompiana agro biologique no naharesy lahatra indrindra ny mpitsara. Mbola vitsy mpanao ao Mahajanga mantsy io tetikasa io sady mety hahazoana tombontsoa be ihany koa. Ny vondrona Star no manohana akaiky ny tetikasa izay nanolotra io taratasim-bola io niampy zava-pisotro Star mandritra ny herintaona.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT