Toekarena

Tetikasa TATOM Hampiroborobo ny famokarana sy ny varotra


  • Zoma 13 Jolay 2018

Omaly no nanatanteraka fivoriana fahatelo tetsy amin’ny hotely Ibis Ankorondrano ny komity nasionaly manaramaso ny tetikasa TATOM (AnTAnanarivo-TOamasina-Madagasikara).

Tsiahivina fa ny fivoriana voalohany dia ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa, ny faharoa kosa no nanehoana ny valin’ny fanadihadiana misy tamin’ireo faritra izay hanatanterahana ny tetikasa dia ny faritra Analamanga, Alaotra Mangoro ary Toamasina. Ity fivoriana fahatelo ity kosa no fankatoavana ireo vina ho fanajariana mikasika ny tanànan’Antananarivo anatin’ny 20 taona. Mifamatotra amin’izany ny fijerena ny ho fitomboan’ny mponina, ny fandaminana ny fiharian-karena, ny fampiroboroboana ny  faritra indostrialy, ny fifandraisana noho ny fanatsarana sy ny fanamboaran-dalana, ary ny filan’ny mponina amin’ny lafiny rehetra amin’ny fampandrosoana. Ny vina mikasika an’izany rehetra izany no atolotra amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola rehefa ankatoavin’ny komity. Tahaka izay ihany koa misy ny vina mahakasika an’i Toamasina anatin’ny 20 taona. Mazava ho azy fa mifototra amin’ny fametrahana ny seranan-tsambo izay ahafahana mikirakira ny varotra sy fanondranana entana.  Noho izany ihany koa no hananganana faritra indostrialy vaovao maro any amin’iny faritra iny. Tsy azo atao ambanin-javatra ny lalana mampitohy amin’iny lalam-pirenena faharoa iny noho ny sehatra famokarana sy ny fizahantany. Izay indrindra no nanaovana ny vina fahatelo ilay fampitohizana malalaka amin’ny alalan’ny lalambe migodana an’Antananarivo  sy Toamasina. Izany no atao mba hanatsara ny fampiakarana ny vokatra sy ny fifanakalozana ara-barotra izay hanatsara hatrany ny toekarena. Hiainga amin’ny tetikasa laharam-pahamehana moa ny fanatanterahana ny vina ary amin’ny aprily 2019 no hosoratana sy horaketina boky izany rehetra izany. Fantatra fa 3.5 tapitrisa dolara na 11 760 000 000 Ariary (1dolara=3360Ar) no efa nomen’ny Japoney ho fanatanterahana ny asa.

Tsiry


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT