Toekarena

Tetikasa Tafita Hampiroboroboana ny tontolon’ny fampianarana


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Notanterahina omaly alarobia 31 jolay tetsy amin’ny Hotely Mandrosoa Ivato ny fivoriana fahenina nataon’ireo komity maharitry ny tetikasa Tantsoroka ho an’ny Fitantanana ny sekoly (TaFita).

 

Tetikasa tohanan’ny governemanta Japoney (JICA) hanatsarana ny fampidirana sy ny fitazonana maharitra ny ankizy any an-tsekoly. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fitantanana sy ny kalitaon’ny fampianarana izay hanohanana ny minisitera amin’ny drafitra fampivoarana ny fampianarana (PSE). Zavatra 3 lehibe no hanohanana ny minisitera ka anisan’izany ny fampiroboroboana ny fitantanana ny sekoly, ny fanatsarana ny kalitao sy ny fanamafisana ny famakiam-boky sy ny taranja matematika ary ny fanomezana sakafo any an-tsekoly. Efa nanomboka tamin’ny jona 2016 ity tetikasa ity ary ho tapitra ny taona 2020 ka ny faritra Analamanga sy Amoron’i Mania no iasana. 2600 ny sekoly fanabeazana fototra ary mpianatra miisa 410 000 no hahazo tombony amin’ity tetikasa ity.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT