Toekarena

Tetikasa PIAA Mitohy ny famatsiana fitaovam-piasana ho an'ireo mpisehatra


  • Zoma 19 Jona 2020

Fiara tsy mataho-dalana miisa 07 no natolotry ny firenena frantsay sy ny Vondrona Eropeanina ho fanohanana ny tetikasa PIAA omaly.

 

 

 

 Andiany faharoa amin'ny fanolorana fitaovana izao natao izao. Ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy (MATP) dia nahazo fiara iray (01) amin’ny maha « Maître d’ouvrage » azy. Ny Kaominina Ambonivohitra Antananarivo notolorana fiara telo (03) amin’ny maha mpitantanana ny tanànan’Antananarivo. Ny SAMVA nahazo fiara iray (01) ho fanaraha-maso ny asa fanadiovana ny tanàna. Ny APIPA nomena fiara roa (02) ho fanaraha-maso ireo asa fanadiovana ireo làlan-drano eto Antananarivo. Nanamarika ny Ministra Hajo Andrianainarivelo fa mbola hisy ny fanolorana fitaovana vaventy (engins) ho an'ity tetikasa PIAA ity.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT