Toekarena

Tetikasa « mpianatra iray, hazo iray » Hazo 4.500.000 mahery no kasaina hambolena


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Natomboka ny fiaraha-miasa amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena manerana ny Nosy hanatanterahana ny tetikasan’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, mpianatra iray, hazo iray,

 raha ny fampahafantarana natao ny faran’ny herinandro teo. Ireo mpianatra ireo ihany no hikolokolo mandava-taona ny zanakazo novoleny. Ampivadiana amin'ny taranja fanabeazana ara-tontolo iainana izay hianaran'izy ireo any am-pianarana izany, hoy hatrany ny fanazavana. Ho atao mandava-taona fa tsy indray isan-taona ihany koa ny fambolen-kazo. Adidy iombonan'ny olompirenena rehetra koa io. Raha tanteraka ny kinasa amin'ny Sekolim-bahoaka rehetra dia hazo maherin'ny 4.500.000 isa no ho voavolin'ny sehatra fanabeazam-pirenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Miisa 17.000 moa ireo mpianatra ao amin’ny faritra Atsinanana nanao ny adidiny tamin’ity herinandro ity, raha ny fampahafantarana natao hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT