Toekarena

Tetikasa Maharo Hamaha olana ny fahantrana lavareny any Atsimo


  • Alakamisy 28 Janoary 2021

Nisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny Minisiteran'ny Mponina,

 

 

 

 ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy sy ny Catholic Relief Service (CRS) ny amin’ny alalan'ny tetik'asa MAHARO izay vatsian'ny USAID vola mitentina 45 tapitrisa dolara. Tanjona amin'izany ny fitondrana vahaolana amin'ny fahantrana lavareny fa indrindra ny hain-tany sy ny kere mahazo ny Faritra Atsimo. Araka izany, tokantrano 55 880 ahitana olona 279 398 avy amin'ny Kaominina 20 no hisitraka izany ary haharitra dimy taona ny faharetan'ny tetik'asa izay ho tanterahina any amin'ny Distrikan'Ampanihy, Tsihombe ary Beloha. Raha tsiahivina, ny tetik'asa MAHARO dia atao mba ahafahan’ny olona misehatra amin'ny asa fambolena, ny fiompiana sy ny jono ary hanatsarana ny fiainan'ny vehivavy mitondra vohoka sy mampinono manoloana ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia teo amin` ny Minisiteran'ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy sy ny Catholic Relief Service (CRS) .

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT