Toekarena

Tetikasa hitsinjovana ny tanora Hampitomboina ny fampiasam-bola


  • Alarobia 28 Jona 2017

Tontosa omaly talata 27 jona teny amin’ny Hotely Carlton ny lanonana fanokafana ny fihaonana an-databatra boribory niresahana ny mponina sy fampandrosoana, fampiasam-bola ho amin'ny fitsinjovana ny tanora,

 teo ambany fitarihan’ny lehiben'ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier. Nandray anjara  ihany koa ny tompon’andraikitra ambony toy ny minisitry fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa, minisitry ny tanora, solontenan’ny UNFPA, solontenan'ny Vondrona Afrikanina, masoivohon'i Grande-Bretagne. Nivoitra fa tsy ampy antsasamanilan’ny tanora Malagasy (42% ankizivavy) no efa renim-pianakaviana talohan'ny faha-18 taonany ; latsaka ny antsasaky ny vehivavy Malagasy (tokony ho 44%) niteraka no nahazo tohana avy amin’ny mpitsabo. Nanantitrantitra ny praiminisitra fa anjara adidin’ny governemanta amin’ny fitsinjovana ny tanora ny praiminisitra ka nilazany fa ny ho avy sy ny fampandrosoana ny firenena dia miankina amin'ny tanora. Anisan’ny noresahina ny politikan'ny fandrindrana fiainam-pianakaviana, indrindra ny hamongorana ny vohoka aloha loatra. Zava-dehibe ny hampiasana vola bebe kokoa eo amin'ny fanabeazana sy ny famoronana asa ho an'ny tanora, hoy ny praiminisitra. Izany no hanomezan-danja kokoa ny fanabeazana, fanofanana, ny ady amin'ny tsy fananan’asan’ny tanora, indrindra hanamafy orina ny fandrindrana fiainam-pianakaviana mba hanafainganana ny fanenana ny fitondrana vohoka aloha loatra. Noresahiny ihany koa ny toe-javatra iainan’ny tanora any Atsimo momba ny fisian’ny "malaso" na dahalo. Ny ankamaroan'izy ireo dia tsy nanana fahafahana handeha any an-tsekoly. Amin'izao fotoana izao, noho ny ezaka izay efa nataon'ny governemanta tamin’ny alalan’ny mpitandro ny filaminana, dia efa nitolo-batana, ka  manodidina ny 5000 ireo no efa niova fo sy lasa mpitarika amin’ny fiarovana ny tanàna. Mivoitra ao anatin’ny tetikasa ihany koa ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, fanomezana fitaovam-pamokarana toy ny angadin’omby, omby, masomboly zezika. Nilaza ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa sy hitondra tohana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny solontena maharitry ny Vondrona Afrikanina eto Madagasikara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT