Raikitra ary hatomboka tsy hoe ela intsony ny tetikasa roa sosona hiarahan’ny kaominina Antsirabe amin’ny firenena Maraokanina. Delegasionina nafonja no tonga tao Antsirabe avy amin’ny firenena Maraokanina omaly alatsinainy, nijery ny pitsopitsony amin’ny hanombohana ny asa amin’izay.
Vao tonga ireto vahiny, avy hatrany dia nidina teny amin’ny toerana hanorenana ireo fotodrafitrasa roa goavana ho an’ny tanànan’Antsirabe sy i Vakinankaratra manontolo ary nanamarina farany ireo refin’ny tany sy toerana hanorenana ny asa. Raha ny fanazavana nentin’ny ben’ny tanàna, Paul Razanakolona dia tenahanomboka ny asa satria efa nampahafantarina azy ireo hatramin’ny orinasa nahazo ny tolo-bidy, izay niara-nidina tamin’ireo delegasionina Maraokanina ihany koa ary izy ireo no nisafidy azy. Ilay toeram-panofanana moa no hatomboka voalohany ary hitohy amin’ny fanorenana ilay toeram-pitsaboana ho an’ny reny sy ny zaza. Nitondran’ny ben’ny tanàna fanazavana fa hentitra amin’ny fametrahana fotodrafitrasa ny Maraokanina no nampitarazoka ny asa satria nasiana fitiliana hatramin’ny nofon-tany hanorenana ny fotodrafitrasa izy ireo. Mikasika ny tsaho miely fa mbola misy ny fanitarana ny tany alain’ny Maraokanina dia nitondrany fanazavana fa diso. Efa voaloa avokoa ny volan’ireo rehetra nanana tany voakasiky ny tetikasa ary vola ana miliara no efa nozarain’ireo komitin’ny fitantanana ilay tany, izay natsangana. Araka ny fantatra dia voalaza indray fa lasa tetikasan’ny filoham-pirenena ity fanomezana avy amin’ny Maraokanina ity, izay tsy dia nasian’ny ben’ny tanàna olana izay ilazana azy fa ny tany dia an’ny kaominina ary ny asa dia avy amin’ny Maraokanina ary ho an’Antsirabe, dia izay no zava-dehibe aminy.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.