Toekarena

Tetikasa Grand Tana Azo ampiharina tsara


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Efa mihamaro ny mponina eto Iarivo ankehitriny hany ka tsy maharaka noho ny fahamaroan`ny mponina eto Antananarivo Renivohitra ny fotodrafitr`asa hafahana mandray azy ireo eto amintsika. .

 

 

 

 Mitaky ny fanamafisana sy ny fampitomboan`ny asa ny ezaka atao momba ny fandaminana ny fitantanana ny tananan-dehibe mba hanana ny fenitra hiatrika ny loza. Ny “plan d`urbanisme” amin`ny ankapobeany mihitsy no tokony ho jerena manokana mba ahafahana mamaly ny hetahetan`ny mponina.Mametraka ho laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fiainan` ny mponina an-tanan-dehibe sy ny fanatsarana ny toerana onenany ny Kaominina Antananrivo Renivohitra. Raha ny fizotran` ny fandaminana sy fanapahan-kevitra raisiny dia hovelomina indray ny tetikasa Grand Tanà. Tsy zava-baovao moa ity tetikasa fa efa anisan’ireo tao anatin’ny fandaharanasan’ny fitondrana Ravalomanana niaraka tamin’ny MAP ny taona 2006 ka izao ampiharina izao indray satria hita sy tsapan’ny rehetra fa tena ilaina.

 

Ireo toetra hananan`ny tanànan-dehibe maharitra: mirindra sy milamina, mifandanja tsara ny fotodrafitrasa misy sy ny fitomboan`ny mponina. Afaka miatrika fitomboan`ny mponina sy afaka manome asa sahaza ho azy ireo. Afaka miatrika ny fampihenana ireo sehatr`asa tsy manara-dalàna sady tsy zarizary. Tanan-dehibe afaka miatrika ny rotoroton`ny andavanandro. Tanan-dehibe afaka miatrika ny fanatsaran`ny fari-piainan`ny mponina ao aminy. Tanan-dehibe manome vahana ny fandraisana andraikitra ny olom-pirenena tsirairay ireo vondrom-bahaoka itsinjaram-paritra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT