Toekarena

Tetikasa Fihariana Miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny indostria sy fambolena


  • Zoma 10 Janoary 2020

Fanaovan-tsonia fiaraha-miasa roa sosona no notanterahana omaly teo anivon'ny programa nasionaly Fihariana. Anisan’izany ny niarahana tamin’ny minisiteran'ny fambolena,

 

 

 

 ny fiompiana ary ny jono mikasika ny fampiroboroboana ny tetikasa « akohonakà » izay tafiditra anatin'ny ady amin’ny tsy fanjarin-tsakafo sy fampirisihina ny Malagasy hihinana sakafo mitondra otrikaina. Eo ihany koa ny fifanarahana tamin’ny minisiteran'ny Indostria, ny varotra ary ny asa tanana mahakasika ny fametrahana biraon'ny Fihariana any amin’ireo antenimieran'ny varotra sy ny indostria miisa 23 manerana an'i Madagasikara sy ny fanombohana ny atrikasa ifampizarana (atelier partagé). Natao ity farany mba  ho fanampiana ireo mpandraharaha madinika amin'ny famoronana asa sy fananganana orinasa. Nanambara ny minisitry ny indostria, Lantosoa Rakotomalala fa na aiza na aiza faritra eto Madagasikara dia afaka misoratra anarana eny amin’ny antenimieran’ny indostria sy ny varotra na ao amin’ny tranonkala www.fihariana.com ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME), na ny orinasa lehibe na dia ny orinasam-pianakaviana te-hisitraka ny findramam-bola avy amin’ny tetikasa Fihariana aza. Tetsy an-daniny dia nilaza ny minisitry ny fambolena, Lucien Ranarivelo fa tanjona amin’ny tetikasa akohonakà ny hanampiana ireo orinasa misehatra amin’ny fiompiana akoho miisa 500. Orinasa 72 no efa nahazo fanampiana avy amin’ny Fihariana ary hamoaka akoho 144.000 isa ireo afaka 60 andro.

Tsirinasolo

 

 



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT