Toekarena

Tetikasa Fihariana Mba ho lavitry ny kolikoly sy kinamanamana…


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Hitsidika ireo faritra manerana ny nosy ny filoha Rajoelina manomboka ny herinandro ambony hifampiresaka amin`ireo tanora hanatanterahana ny tetikasa Fihariana.

 

 

 

 Nambarany fa efa vonona ny vola 200 miliara ariary hanatanterahana ny tetikasa ahafahan`ireo tanora manatanteraka ny fandraharahana sy manatsara ny toekarena eto Madagasikara. Fanalefahana ny tsy fananana asa misy eto amintsika no anton`izao tetikasa izao. Azo atao tsara ny miala amin`ny fahantrana sy manatsara ny faripiainan`ny vahoaka ka miainga amin`ny famokarana sy ny fihariana amin`ny tontolo ambanivohitra ary tosika toy izao no ilaina. Mipetraka hatrany anefa ny ahiahy amin`ny fifantenana ireo tanora hisitraka ny fanampiana. Fanamby apetraky ny filoham-pirenena ny filazana ny ho fanajana ny tany tan-dalàna, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fahalalahana mandraharaha eo amin’ny tontolo ara-toekarena. Matoa mampanjaka ny tany tan-dalàna dia ny tsy fanomezana vahana na ny fandavana mihitsy ny hanao kolikoly. Raha hentitra amin’ny fampanajana ny tany tan-dalàna ny fitondrana dia izy mpitondra no voalohany tarafin’ny olona. Matetika ny sehatry ny fihariana no anjakan’ny kolikoly satria ao amin’ny sehatry ny fandraharahana ara-toekarena no tena itavandran’ny olona iray ny tombontsoany manokana. Ny fahalalahana mandraharaha dia tena takian’ny fampandrosoana ara-toekarena saingy maro ny olom-pirenena nanangana vondrom-barotra (société), manam-bola hoenti-manodina ny sehatra tiany hovelarina sy hampiroboroboana, saingy takian’ny mpitondra volabe izy ho takalon’ny fankatoavany ho amin’ny fananganana ilay orinasany. Ampatsiahivina hatrany ny fitondrana fa mila fanazavana sy tari-dalana io rafitra Fihariana io mba ahafahana mitsinjara mitovy sy mampitovy lenta ny rehetra manantena mba ialana amin`ny kinamanamana sy ny kolikoly. Tsy hiteraka voka-tsoa ho an`ireo tanora raha izany no hitranga fa vao mainka hiteraka fisaraham-bazana eny amin`ny fiarahamonina eny amin`ny sehatra isan-karazany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT