Toekarena

TETIKASA FIAM Hahazo foto-drafitrasa i Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo


  • Talata 10 Novambra 2020

Hifarana amin’ny volana martsa taona 2021 ho avy izao rehefa nanomboka tamin’ny volana Aprily taona 2019 ilay tetikasa FIAM hiarahan’ny kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo ary ny Msis Tatao miara-miasa, vatsian’ny

 

 

Vondrona Eoropeana vola. Taorian’ny fahazoan’ny kaominina tsena vaovao sy lalana ho an’Ampitatafika manokana dia hahazo tombony indray ireo Renim-pianakaviana mpanasa lamba ao amin’ity kaominina ity ao anatin’ilay fanamboarana foto-drafitrasa andiany faharoa. Ao amin’ny Fokontany Ampitatafika vaovao no hanorenana izany izay manana tanjona hanampy sy hanohana ireo Reny mivelona amin’ny asa sasa lamba nefa mamelon-janaka. Toraka izany ihany koa ny lalana mirefy 600 m hatao rarivato, mampitohy an’Ambodiafontsy sy ny lisea Faliarivo raha araka ny fanazavan-dRtoa Nirinalisoa Dolis, tompon’andraikitry ny tetikasa. Saika hita any amin’io faritra hanamboarana ilay lalana io avokoa mantsy ny sekoly ambaratonga fototra, ny Csb, ny biraon’ny zandarimariam-pirenena…. Ho an’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo indray dia famatsiana rano fisotro madio ho an’ireo mponina ao amin’ny Fokontany Antanety no hatao, miampy lalana 400 m hatao rarivato ao Ankadivory. Tsiahivina moa fa nanao fifaninana ireto kaominina ireto, antony nahazoany io tetikasa io, izay tanterahina anaty fangaraharaha tanteraka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT