Toekarena

Tetikasa fanajariana ny eto an-drenivohitra 75 tapitrisa dolara no homen’ny Banky Iraisam-pirenena


  • Zoma 28 Febroary 2020

Nampahafantarina tetsy amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany tetsy Anosy omaly ny mahakasika ilay tetikasa PRODUIR ( PROjet de Développement Urbain Integré et de Résilience)

 tanterahana eto Antananarivo nanomboka ny taona 2019 hatramin’ny 2023. Atao izany mba ho fiarovana amin’ny tondra-drano ary ny Banky Maneran-tany no mamatsy ny vola rehetra. Tetikasa goavana satria mahatratra hatramin’ny 75 tapitrisa dolara na 278100000000Ar (1 dolara=3708 Ar) ny famatsiam-bola ary antenaina hitondra fampandrosoana haingana sy tombony ho an’ny vahoaka rehetra. Miisa 650 000 ny olona hahazo tombontsoa amin’ny fisitrahana ity tetikasa fandrafetana sy fanatanterahana ny drafi-panajariana PUDI (Plan d’Urbanisme DIrecteurs ) ity. Maro ihany koa ireo pitsopitsony mbola jerena tsara amin’ny fanatontosana ny tetikasa ary anisan’izany ny fiatrehana ny fitombon’ny mponina, ireo fanotorana tany tsy ara-dalàna sy ireo hafa. Hibahan-toerana amin’ity tetikasa ity ihany koa ny fanalana ny fako, ny fanatsarana ny fatsona ary ny fanadiovana ny lakandrano C3 izay hanalana fotaka hatrany amin’ny 115 000m³. Tanjona ny hanatsarana ny fitantanana ny tanàn-dehibe ary ho voakasika amin’izany ihany koa ny kaominina. Ankoatr’izay dia hisy ny tantsoroka amin’ny SAMVA sy ny APIPA  ary ireo dia miara-mifandrimbona amin’ny fanatsarana ny lakandrano. Araka ny fanazavana dia tsy maintsy asiana lalana ahafahan’ny fiarabe manaisotra ny fotaka manamorona ny lakandrano. Nilaza ihany koa ireo tompon’andraikitra fa afaka mitaraina sy manome soso-kevitra ny rehetra tsy ankanavaka amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity. Tsy maintsy hisy mantsy ny tsena sy trano mety hazera na tany halaina (expropriation) satria ankoatra ny lakandrano dia hisy lalankely 18km ihany koa hamboarina hatokana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Na izany aza tsy maintsy misy ny tambiny ho an’ireo olona voakasika ka hisy ny fanajariana ny toerana ho an’izy ireo toy ny eny Andavamamba, Soavimasoandro ary Anosiala.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT