Toekarena

Tetikasa fambolem-bary midadasika Raikitra ny fakan-kevitra any Mahajanga


  • Zoma 19 Jolay 2019

Manoloana ny tetikasa fambolem-bary midadasika hataon’ny orinasa “Long De” ao Analatelo, kaominina ambanivohitr’i Katsepy, distrikan’i Mahajanga, faritra Boeny,

 

 

 dia nidina ifotony naka ny hevitry ny fokonolona ny delegasionina maromaro notarihin’ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolo toerana, Atoa Bazezy V. Clavelah. Tsiahivina fa fambolem-bary amina velaran-tany midadasika mirefy 2 000 ha mahery, no hataon’ny orinasa sinoa “Long De”. Ao Antsohihiabo, fokontanin’Analatelo no nosafidiny hanatanterahana izany noho io velaran-tany io tafiditra ao anatin’ny faritra fampiasam-bola ho an’ny fambolena “zone d’investissement agricole”, araka ny voafaritry ny drafitra fanajariana ny kaominin’i Katsepy na SAC “Schéma d’aménagement communal”.  Efa maro ireo dingana ara-panjakana isan’ambaratongany teo anivon’ny faritra sy ny kaominina efa nolalovan’ity tetikasa ity. Taorian’ireo àry dia niroso nanao fakan-kevitra farany tamin’ireo fokonolona ifotony ao Analatelo sy Sakoany, izay samy voakasik’izy io, ireo foibem-paritra teknika,  ny eo anivon’ny kaominina Katsepy, ny Distrikan’i Mitsinjo, ireo sinoa tompon’ny tetikasa ary ireo sampandraharaha misahana ny fampandrosoana ny faritra, notarihin’ny Lehiben’ny faritra mpisolo toerana.
                                       Famelabelarana sy fanontaniana
Naverina nohazavaina tamin’ireo fokonolona ny votoatin’ity tetikasa fambolem-bary midadasika ity sy ny fiantraikany ara-tsosialy, ara-toekarena, ara-tontolo iainana ary ara-pomba. Nomena anjara fotoana fanontaniana sy nanehoana ireo hetahetany sy ny fangatahany taorian’izay ireo fokonolona roa tonta. Ceg, vovo misy rano mandavan-taona, hopitaly, biraon’ny zandary “poste avancé” no tena manahirana azy ireo amin’izao fotoana. Ankoatra izay dia nohamafisina fa ny zanaky ny Kaomina no horaisina maro indrindra amin’ireo mpiasa 500 isa izay ilain’ny tetikasa.  Samy neken’ireo tompon’ny “Long De” avokoa ireo, ary noraiketina an-tsoratra ho lasa bokin’andraikitra. Hatsangana aorian’izao ny komity mpanara-maso ny fanatanterahana ireo fampanantenana sy andraikitry ny tompon’ny tetikasa sy ny fokonolona.

                                               Fankatoavana
Fakan-kevitra mikasika ny tetikasa moa no natao ka dia nohamarinin’ireo fokonolona tamin’ny tsangan-tanana sy fanaovan-tsonia ny fankatoavan’izy ireo azy io rehefa resy lahatra izy ireo fa hitondra fampandrosoana ho azy tokoa izany. Dingana manaraka dia fampahafantarana sy fakan-kevitra teknika miaraka amin’ireo foibem-paritra ao Boeny indray no hatao mialoha ny handrosoan’ny Lehiben’ny faritra mpisolo toerana ireo antontan-taratasy rehetra mikasika ity tetikasa fambolem-bary midadasika ao Katsepy ity eo anivon’ny fitondrana foibe.

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT