Toekarena

Tetikasa Capsud famatsiana herin’aratra Hiezaka handrakotra an’i Madagasikara


  • Alakamisy 06 Desambra 2018

Nanomboka nitsangana ara-dalàna tamin’ny taon-dasa ny orinasa Capsud eto Madagasikara izay manana sampana maro maneran-tany. Omaly alarobia 5 desambra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fahavitan’ny tetikasa Kube

 

 

 

 niandraiketany nametrahana panneaux solaire miisa 1200 mipetraka ambony tafon’ny fanaovam-baolina anaty efitrano (Futsal) etsy amin’ny Galaxy Andraharo. Manome tanjaka herinaratra hatrany amin’ny 410Kwc ho an’ny trano be kube 4 izany ary mampiasa vatoaratra 1 mega. Tsy mijanona eto an-drenivohitra ity tetikasa ity fa hihitatra hatrany ambanivohitra ary tanjona ny hahazoan’i Madagasikara manontolo ny herinaratra. Amin’izany dia hiezaka hametraka ireo fitaovana famatsiana herinaratra ho amin’ny tany ny tompon’andraikitra fa tsy ambony tafo tahaka ny aty an-drenivohitra. Atsy ho atsy dia ny faritra Ilakaka iray manontolo no hisitraka ny tetikasa izay hamatsiana herinaratra hatrany amin’ny 500 Kwc noho io faritra io mampandroso ny toekarena Malagasy amin’ny alalan’ny fitrandrahana atao any. Mamaha ny olan’ny Malagasy ity tetikasa ity na dia mbola mitodika amin’ireo orinasa matanjaka fotsiny aza aloha izy amin’izao fotoana izao satria iaraha-mahita hatrany ny fisondrotambidin’ny herinaratra avy amin’ny JIRAMA. Tombony ny fahafahana mandoa tsikelikely ny saran’ny famatsiana ataon’izy ireo rehefa avy niantohany tanteraka ny fametrahana ny fitaovana,ny filàna rehetra ka mandray vita sy vonona ny mpanjifa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT