Toekarena

Tetikasa Building Bridges “Tafapetraka ny tetezana”


  • Zoma 12 Jolay 2019

Heritaona lasa izay, tonga teto Madagasikara ny alahady 01 jolay 2018, ny tanora 10 (eo anelanelan`ny 20-35 taona) avy any Mayotte sy La Réunion miaraka amin`ny olon-dehibe telo mpanara-dia.

 

 

 Nanampy azy ireo ny tanora Malagasy dimy avy amin`ny CEMEAM (Centre d`Entrainement aux Methodes d`Education Active) nandritra ny 10 andro. Niaina niaraka sy nifanakalo traikefa izy ireo na tsy mitovy aza ny kolontsaina sy ny teny ampiasaina hiseraserana. Nivoitra tao anatin`ny fiarahana koa ny sahanasa maro ahafahana mamolavola fomba ibeazana ny tenany. Tsy ny fibeazana ihany fa hanana ny toerany koa ny fialamboly. Tafiditra amin`ny tetikasa Erasmus-Building Bridges ny fametrahana tetezana ahafahan`ny tanora aty amin`ny ranomasina Indianina sy any Eoropa ny hetsika izay nosantarina tany La Reunion ny volana martsa 2018. Notohizana tamin’ny fivahinianana tanora 4 avy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana nandritra ny iray volana tany Romania ny tetikasa, nahafahan’izy ireo nizatra amin’ny asa misahana tanora. Vao nofaranana tamin’ny fihaonana tanora sy mpisehatra amin’ny tontolon’ny tanora eo amin’ny 20 eo ho eo tany Mayotte ny 6 ka hatramin’ny 13 jona teo ity tetikasa BUILDING BRIDGES ity ka nanaovana tombana sy jery todika ny dia niaraha-nanao nandritra ny herintaona mahery. Tafapetraka izany izao ny tetezana ahafahan’ireo tanora sy fikambanana ireo manohy ny fifanakalozana sy ny fiaraha-miasa, ary haminavina tetikasa vaovao. Fikambanana dimy avy aty amin`ny ranomasimbe indianina sy roa avy any Eoropa no nifandray tamin`ny alalan`ity tetikasa Building Bridges ity. Manohana ny tetikasa amin`ny lafiny vola ny Vondrona Eorpeanina.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT