Toekarena

Tetikasa « Base Toliara » Eken’ny mponina hoy ny loholona Tsiebo Mahaleo


  • Talata 31 Janoary 2023

Manoloana ny resabe mikasika ny tetikasa Base Toliara, dia nidina ifotony tany an-toerana ny loholon’i Madagasikara Aroa Tsiebo Mahaleo Richard Victor, izay zanak’i Toliara nijery akaiky ny mikasika izany.

Nambarany tamin’izany fa ny mponina amin’ny ankapobeny ao amin’ity faritra misy ny teikasa ity dia manaiky io tetikasa io avokoa. Asa miisa 4 .600 no hiforona ka ny 90% maherin’ny mpiasa ao hoy izy dia teratany malagasy avokoa. Hisy ihany koa raha araka ny nambarany ny fanamboarana sekoly, toeram-pitsaboana, ary vovon-drano hahazoan’ny mponina rano fisotro madio izay hankasitrahan’ireo mponina satria hitondra tombontsoa lehibe ho azy ny fisian’izany. Ho lasa ivom-pampandrosoana ny faritra hisy ity tetikasa ity araka izany noho ireo « effets d’entrainement » amin’ny sehatra hafa toy ny fambolena, amin’ny alalan’ny fanomezana masom-boly sy fampiofanana, izay voarakitra anaty bokin’andraikitry ny Base Toliara avokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny loholona Tsiebo Mahaleo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT