Toekarena

Tetibolan’ny CUA nasiam-panitsiana Nolanian’ny Filankevitra monisipaly


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Lany tao anatin’ny lahadinika tsy ara-potoana izay notontosain’ny Filankevitra Monisipalin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nandritra ny 3 andro nifarana omaly alarobia 21 febroary 2018 ny Tetibola nasiam-panitsiana.

 Ny resaka “Droit de circuler” no tena nangatahan’ny prefektiora hoesorina ao anatin’ny ilay Tetibola.  Teo ihany koa ny firesahana ny vola miditra eo amin’ny tsena Pavillon na Box vaovao, ary ny fidiram-bola aty amin’ny kaominina momba ny fampiasana ny OMAVET niampy ny fangatahana fanazavana ny isan’ny mpiasa marina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nankatoavin’ny mpanolotsaina monisipalin’ny tanàna ihany koa ny fametrahana vina fananganana fotodrafitrasa, izay ho kasain’ny Boriboritany 6 amin’ny fanatsarana miaraka amin’ny FDL eo anivon’ny Boriborintany tsirairay. Araka izany dia hisy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa misimisy kokoa eo amin’ny mpanolotsaina monisipaly sy ny mpanatanteraka mba hisian’ny mangarahara. Nanambara ny Filohan’ny Filankevitra Monisipaly Faustin Andriambahoaka, fa nilefitra ny Filankevitra amin’ny resaka “droit de circuler”, saingy tsy hanaiky kosa ho amin’ny manaraka satria mampidi-bola betsaka ho an’ny CUA izany. Mbola hiady sy tsy hanaiky amin’ny fanalana izany “droit de circuler” izany ny Mpanolotsaina Monisipaly satria ny vola azo amin’ireny, hoy izy, dia hoentina hanatsarana ny lalana eto Antananarivo Renivohitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT