Toekarena

Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana Lany teo anivon` ny Antenimieram-pirenena


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Omaly no nandalo teo anivon` ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna mahakasika ny lalàna momba ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR) taona 2020 ( PL 009-2019).

 

 

 

Solombavambahoaka miisa 94 no nanatrika ny fivoriana ka sivy amin` izy ireo no tsy nanan-kevitra raha toa ka tsy nisy kosa no nandà izany. Taorian` ny tatitry ny asam-baomiera sy ny ministry ny vola dia nandray anjara fitenenana ny solontenan` ny vondrona parlemantera ka isan` ireo teboka nazavaina tamin` ireo depiote ny fanatsarana natao tamin` ny sehatra samihafa toy ny lafiny fampidirana ara-ketra. “Ao anatin` ny fanitsiana natao ny mahakasika ny fanatsarana ireo fepetra mahakasika ny fanondranana ny “prix de transfert” izay fifandraisana misy amin` ireo orinasa eto amintsika sy ireo orinasa reniny any ivelany. Mazàna ny fifanarahana ara-barotra amin` izy ireny dia miteraka fatiantoka ho an` ny firenena noho ny fandefasan` ireo orinasa eto an-toerana ny ankapobeazan` ny tombom-barotra azony any amin` ny orinasa reniny any ivelany. Misy fanatsarana ny fomba fametrahana tatitra ara-bola sy arak` asa ho an` ireo fikambanana miankina amin`ny finoana sy fikambanana izay tsy mitady tombontsoa manokana. Noferana amin`ny volana febroary amin` ny taom-piasana manaraka ny fanaterana izany gtatitra izany. Manaraka ny fomba fanambaran ketra ho an`ny daholo be izany raha toa ka vola azo amin`ny toeram-pivarotana.” Nanambara ny minisitry ny vola fa hitombo ny tambatry ny fahabangana ankapobeny amin` ny LFR 2020 noho ny zava-misy ka hampilatsaka hatramin` ny 6% ny harinkarem-pirenena amin` ity taona 2020. Ho fehezina tsy hihoatra ny 7% kosa ny fidanganam-vidim-piainana ary hifantoka tanteraka amin`ny sosialim-bahoaka sy ny fanarenana ny toekarena.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT