Toekarena

Tetibolam-panjakana lasitra « Nisy fomba fandrafetana vaovao »


  • Talata 26 Novambra 2019

Mizara roa ny tetibolam-panjakana isaky ny minisitera raha ny voafaritra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2020.

 

 

Voalohany, ny fampandehanan-draharaha anatiny mahakasika ireo minisitera. Faharoa dia ny « Budget d’investissement » ao anatin’ny « programme d’investissement publique ». Samy nahitana fampitomboana 20 hatramin’ny 30% ny roa tonta. Ny zavatra tena hojerena, hoy Imbiki Herilaza, mpahay lalàna, dia ny fametrahana fotodrafitrasa eo anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Izany hoe, atao bebe kokoa ny fisian’ny fanapariaham-pahefana eny anivon’ny distrika maro samihafa. Nisy rahateo ny fomba fandrafetana vaovao natao tamin’ity taona ity hoentina hiatrika ny fampiasana ny tetibolam-panjakana. Isaky ny minisitera dia nanao ny fanontaniana ifotony amin’ireo mpiaramiombon’antoka sy mpiara-miasa rehetra.  Avy eo nentina teny amin’ny minisitera foibe dia nampiharina tamin’ny « contrat-programme »an’ny minisitry tsirairay ka nampiarahana tamin’ny « plan annuel de travail » ho an’ny taona 2020. Natao ny fandrafetana ny tetibola mba ho tonga dia  hisy fiantraikany mivantana any amin’ny vahoaka. Misy ihany koa ny fomba fiasa vaovao eo amin’ny fanaraha-maso ny tetibolam-panjakana. Eo anivon’ny primatiora dia hisy ny atao hoe « coordination d’action gouvernementale ». Ho an’ny fiadidian’ny Repoblika dia manara-maso ny fandaniana ny tetibola mba hanaraka ny vina ; apetraka isaky ny distrika ny fitsirihana ; arahina maso ihany ny « budget d’investissement publique », hoy hatrany ny fanazavana. Ny irariana dia mba tsy ho anisan’ireo mitavana ny tombontsoa manokana ny mpitondra ha hanao ho vaindohan-draharaha ny fiarovana ny  tombontsoan’ny rehetra. Raha tsy izany dia sarotra ny hanantena fivoarana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT