Toekarena

Tetibolam-panjakana 2021 Tsy misy fanarenana ara-toekarena, famitaham-bahoaka…


  • Alatsinainy 30 Novambra 2020

Ny fomba fanaon’ny Fitondrana teo aloha nokianin’ny TIM sy ny MAPAR ihany

 

 

 

no haverina amin’izao, hoy i Hanitra Razafimanantsoa. 4 andro monja no nandinihana azy ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, tsy voahaja ny 15 andro amin’ny fotoana ahafahana manao izany. Tsy nahafa-po ny valin-teny tao anatin’ny asam-baomiera. Lalàna fehizoro no nolaniana, ary tao amin’ny asam-baomiera, dia kitoatoa, hoy ireo depiote TIM, izay nivoaka ny efitrano tamin’ny fandanian’ireo depiote 97 ny LFI 2021 ny alin’ny 27 novambra teo. Tsy niray tsikombakomba tamin'ny fandaniana tetibola tsy mahasoa ny vahoaka izahay. Famitaham-bahoaka no betsaka. Tsy mitsinjo ny sosialim-bahoaka velively ny tetibolam-panjakana 2021. Nahena avokoa ny anjaran'ny ankamaroan'ny ministera ary natao tsinotsinona ny sehatra tsy miankina izay tena hozatry ny toe-karena, hoy izy ireo. Nahena ny tetibolan’ny Minisitera, toy ny an’ny fambolena. Tsy hita ao ny “relance économique” na fanarenana ny toerakana, nasintaka tao ny mpandraharaha. Marihina fa nisy ny fakana ny hevitr’izy ireo, saingy toa tsy noraharahiana izany. Ankoatr'izay sehatr’asa sasantsasany navahana noho ny antony tsy fantatra. Tsy nisy ny "conférence budgétaire" ary tsy manaja ny voalazan'ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona ny fomba nandinihana ity LFI 2021 ity. Mivangongo loatra any amin'ny filoham-pirenena avokoa ny fahefana, hany ka na ny tetibola hampiodina ny Antenimieram-pirenena aza dia mbola nolazaina fa ho entina any amin'i Prezda. Manginy fotsiny ny valy boraingona isan-karazany tany anaty asam-baomiera. Tsy maintsy hiteny sy hijoro izahay rehefa misy ny tsy mety, hoy izy ireo. Asa izay ho fizotry ny fandihina sy fanapahan-kevitry ny loholona, fa efa tsy tian’ny MAPAR halefa hodinihina eny intsony io satria efa tsy am-perin’asa intsony ny loholona, hoy ny depiote IRD Djaosera Irénée. Mety hiafara amin’ny didy hitsivolana indray ny fandaniana ny LFI 2021!

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT