Toekarena

Tetibolam-panjakana 2021 Tsy hitarazoka intsony ny fandaniana azy ?


  • Talata 22 Septambra 2020

Araka ny voafaritra ao amin` ny and. faha-75 ao anatin` ny lalámpanorenana dia “ny volana oktobra ny fotoam-pivoriana faharoa izay atokana indrindra amin` ny fandaniana lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana” eo anivon` ny parlemantera. Raha tsiahivina dia ny roa volana lasa no lany ny LFR 2020.

 

 

 

 Efa nisy ny toromarika nomen` ny fiadiadin` ny repoblika, ny primatiora sy ny minisiteran` ny toekarena sy ny fitantanam-bola mahakasika ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra (PLFI) 2021. Raha ny fantatra dia niainga avy any ifotony ireo fandaniana sy zavatra tokony ho hita amina minisitera. Nisy ny fandravonana antontan-kevitra ankoatra ireo tetikasa fahamehena avy amin`ny fiadiadin` ny repoblika sy ny primatiora. Niroso tamin` ny kaonferansan` ireo sekretera jeneraly manoloana ny sekretera jeneraly eo anivon` ny fiadiadin` ny repoblika, ny governemanta ary ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ka namelabelaran` ireo ekipa teknika ny PIP  izay hotohizana hatramin` ny taona ho avy.Nandritra izany ihany koa ny niadivana ireo tetikasa maika. Marihana fa ny filankevitry ny governemanta sy filankevitry ny minisitra no tompon` ny teny farany. Tsara ihany koa ny manamarika fa efa roa herinandro lasa izay no efa nankatoavina ny PLFI 2021 isaky ny minisitera. Mbola hisy moa ny “arbitrage” eo anivon` ireo filankevitra. Azo antenaina , araka izany, fa tsy hitarazoka toy ny tamin` ny taon-dasa intsony ar hazava kokoa ny fandinihana sy fandaniana tetibolam-panjakana 2021 amin` ny volana oktobra izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT