Toekarena

Tetibolam-panjakana 2021 Hiompana amin`ny drafitra marolafy vonjimaika


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Nitafa fohy tamin` ny mpanao gazety omaly ny minisitry ny toekarena sy ny vola, Richard Randriamandranto, omaly. Mahakasika ny tetibolan` ny

Antenimierandoholona dia nambarany fa “ao anatin`ny hiafaran` ny fahamehana isika. Tsy maintsy miatrika ny ady amin`ny kere any atsimo. Ho tapitra koa ny fe-potoana iasan` ny Antenimierandoholona am-perinasa. Rehefa faran`ny taona toy izao dia tsy maintsy tsinjovina ny eo am-pela-tanana”. Nilaza hatrany izy fa fandaminana mba tsy hisian`ny toe-javatra toy ny tsy fisian`ny vola handoavana ny karaman`ny mpampianatra , hitsinjovana izay zaza izay mety ho faty raha tsy atrehina izany. Nampatsiahiviny fa hisy ilay “centre de réhabilitation nutritionnelle” hotokanana ato ho ato ka tsy maintsy misy ny fitantanana ny tahirim-bolam-panjakana. Adidy sy andraikitry ny minisitera no mitsinjo sy manatsara ny fiainam-bahoaka.

 Fandaminana vaovao

Eo am-pandinihana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra (LFI) ho amin`ny taona 2021 ny filankevitry ny minisitra ary aroso eo anivon` ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona izany. Notsipihany manokana fa hisy ny fandaminana vaovao. Ampahany lehibe amin`ity faran`ny taona ity ny fandaminana amin`ny drafitra marolafy vonjimaika izay nahazoana famatsiam-bola betsaka. Misy ampahana famatsiam-bola avy amin`ireo mpiara-miombon`antoka no efa nampiasaina ary misy kosa no mbola hampiasaina amin`ny amin`ny taona ho avy. Manome toky kosa ny minisitra Richard Randriamandranto fa misy ny hoenti-manana hahafahana miroso avy amin`ny drafitra marolafy vonjimaika mankany amin` ny drafim-panarenana. Nambarany hatrany fa tsy azo atao no mijanona amin`ny toe-javatra iray amin`izao fahamehana izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT