Ho sarotra ho azy no hampandany ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI 2021), hoy ireo Parlemantera mpanohitra, izay nanao fandaharana niainga avy any Antsirabe omaly, notronin’ny avy amin’ny Vondrona Panorama, RMDM, TIM,...
Hatramin’izao mbola tsy tonga eny amin’ny depiote ilay volavolan-dalàna. Misy mikimaky ataon’izy ireo izany, hoy ny mpanohitra. Efa tara 15 andro satria ny 30 septambra no tokony ho tonga teny Tsimbazaza, saingy ny herinandro teo dia nilaza ny Minisitry ny Vola sy ny toekarena Atoa Richard Randriamandranto, fa mbola nisy fanampiana nataon’ny Filoha momba ny Vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana. “Misy fe-potoana tokony hajaina io, ka rehefa vita fandinihan’ny antenimieram-pirenena dia halefa hodinihin’ny antenimierandoholona izay mbola mijoro ara-dalàna. Raha misy fanovana ataon’ny Antenimierandoholona dia tsy maintsy haverina indray any amin’ny antenimieram-pirenena, io ilay “navette parlementaire” izay mety ho 15 andro avy eo amin’ny fandinihana ny LFR”. Lalaovin’ny mpanatanteraka io fe-potoana io, hoy ny depiote Fidèle Razara Pierre. Nisy ny ezaka nataon’ny Vaomiera ara-bolan’ny antenimiera nampiantso ny GEM Vondron’ny Mpandraharaha mba hanampiana azy ireo. Ny zava-misy sy nanontanian’izy ireo dia hoe efa eny am-pelantanan’izy ireo ve izany LFI izany ankehitriny. Toa mbola miandry ny resaka famatsiam-bola avy any ivelany. Ambony loatra ny “taux de croissance” 4% notenenin’ny Minisitry ny tetibola, ka 3,9% no nambaran’ny FMI, izay toa maneso satria isika aza izao -3,2%, 2,8 noresahana hatry ny ela aza tsy tratra, rah any fanazavan’ny depiote Fidèle Razara Pierre. Mbola tsisy tolo-dalàna sy volavolan-dalàna tonga ! Mahasahy izay mitady hanaonao foana eo, manala baraka ny olona mahay lalàna, ka halainay baraka eo ianareo raha manaonao foana eo, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Mety hiafara amin’ny didy hitsivolana indray ny fandaniana tetibola !!!
LASA FANJAKANA MPANOHITRA AN-JAMBANY
Ara-politika, nahitsy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, fa lasa ny Fanjakana indray no manohitra ny mpanohitra na lasa manao “opposition systèmatique”, kanefa tsy ao anaty faharanitan-tsaina. Isaky ny miteny ny mpanohitra dia lazaina fa mpanakorontana, kanefa ianareo no mikorontana anatiny ao. Rehefa tsy mahay mitondra dia mitady hanilihana hoe: ny mpanohitra no mahatonga izao. Andrakandrana toy ny fitantanana « épicerie » ny fitantanana firenena, tsy misy fanajana lalàna, manao izay tiana hatao, hoy ny fanehoan-kevitra mafy. Asan’ny HVM, Fisandratana 2030, asa efa vita Sonia tsy nanomboka tamin’ny fitondrana teo aloha ny ankamaroan’ny zavatra atao, hoy ny Loholona Mamitiana Fabergé.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.