Toekarena

Tetibolam-panjakana 2021 4,1% no heverina ho fitombon’ny harin-karena


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Taona hiatrehana ny fanarenana ara-toekarena sy fanatrarana ny tanjona hampandrosoana ny firenena ny taona 2021, hoy ny mpitondra. Nampahafantarina omaly 12 aogositra nandritra ny filankevitry ny minisitra ny drafitra hoenti-mametraka ny volavolan-tetibola taona 2021 natao hanarenina ny vokatry ny coronavirus.

 

 

4,1% ny heverina ho fitomboan’ny harin-karena faobe miainga amin’ny fampiasam-bola ankapobeny heverina ho 22,6%. Nambara fa ilaina ny fanohizana ireo tetikasa tamin’ity taona ity mifototra amin’ny fananganana fotodrafitrasa manerana ny Nosy ambara fa mitondra fanorenan’asa sy fampandrosoana isam-paritra. Heverina ho 0,8% ny tahatombon’ny harinkarena faobe amin’ity taona ity satria nihena hatramin’ny 439,8 miliara ariary ny vola niditra tamin’ny alalan’ny hetra . Tsy nisy afa-tsy 8,9% ny taha ny fampidiran-ketra, ary 6,3% ny “déficit budgetaire”, saingy heverina fa hitombo ny taona 2021, hoy ny fanjakana. Ny sehatry ny fihariana eo amin’ny fambolena, fiompiana, jono, famokarana zaitra, asa fanorenana, trano fandraisam-bahiny, fitaterana ary ny indostria mpitrandraka no hitarika amin’izany fanarenana ara-toekarena izany, kanefa miankina amin’ny fivoaran’ny valanaretina ny ahatanterahan’izany, hoy ny fanjakana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT