Hanokanan’ny fanjakana vola 5 miliara ariary isanisany ireo governora mitantana ny faritra araka ny voasoratra ao amin’ny volavolan-dalàna momba ny tetibola 2020.
Mitsinjara ho tahaka izao io tetibola io : ny 4 miliara ariary hiasana amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa ary ny 1 miliara ariary kosa ho fampandehanan-draharaha.110 miliara ariary izany no vola omena ireo governora raha raisina ho 22 no isan’ny faritra eto Madagasikara. Mitombo 14,4% raha oharina amin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2019 (LFR 2019) ny fandaniam-bolan’ny fanjakana momba ny karama raha ny voasoratra ao amin’ny volavolan-dalàna momba ny tetibola 2020. Lasa 2700,0 miliara ariary izany raha toa ka 2360,4 miliara ariary teo aloha. Anton’izany ny fanitsiana ny mari-karama ataon’ny fanjakana izay mitotaly 179,0 miliara ariary sy ny fampidirana mpiasa vaovao eo anivona minisitera 5 dia ny ao amin’ny filaminam-bahoaka, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, minisiteran’ny fiarovana, ny fanabeazana ary ny fahasalamana. Hitombo 12,7% ny tetibola atokana handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana izany amin’io 2020 io. Mitombo ny vola hampiasain’ny fanjakana amin’io 2020 io raha oharina ny tamin’ny 2019 ity ary hita ho tena manezakezaka mafy any amin’ny fampitomboana ny hetra sy haba alaina ny fanjakana, mbola resaka hafa moa rehefa avy eo ny famatsiam-bola avy any ivelany. Heverina ho kitro ifaharan’ny fampandrosoana miaraka amin’ny ben’ny tanàna ny governora, ireto farany anefa dia tendrena fa tsy mba voafidim-bahoaka tahaka iretsy voalohany. Hatramin’izao dia ny antsasany no miasa, tsy fantatra ny fotoana hanendrena ny ambiny. Ireo mpamatsy vola anefa dia manizingizina fa olom-boafidy ara-pomba demokratika no lehibe mitarika ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana amin’izay mafonja kokoa ilay tamberin’andraikitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.