Vokatry ny tetibola tsy nahitsin’ireo depiote izany dia iny niakatra iny koa ny vidin’ny entona fandrehitra na «gaz»
fandrahoana sakafo ao an-tokantrano, raha ny fampahafantarana ny fanitsiana ny vidin’izany hita teny amin’ireo toerana mpanjinjara solika samihafa teto Antananarivo renivohitra ny faran’ny herinandro teo. Lasa 69.000 Ariary na 345.000 Fmg ny 9kg, raha toa ka 68.000 Ariary na 340.000 Ariary izany teo aloha, izany hoe nisy elanelany 1000 Ariary na 5000Fmg be izao ny vidiny taloha sy ankehitriny, raha ny hita eny amin’ireo toby mpanjinjara solika mahazatra. 69.500 Ariary na 347.500 Fmg kosa izany eny amin’ireo toeram-pivarotana tsotra, amin’ny ankapobeny. Nanomboka ny 29 may teo, raha tsiahivina ny fampitam-baovao voaray, no nisian’ity fanitsiana ny vidin’ireo entona fandrehatra ity. Velon-taraina sy mimenomenona no azon’ireo vahoaka mpanjifa atao manoloana ity isan’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny tetibola izay tsy nasian’ireo solombavambahoaka fanitsiana ity. Isan’ny fanontaniana apetrak’ireo mpanara-baovao samihafa ao anatin’izany ny hoe laharam-pahamehana noho izany ve ny fandaniana lalàna mifehy ny toaka gasy? Tena mbola ilaina marina tokoa ve izany antsoina hoe antenimiera izany, na antenimieram-pirenena io na antenimieran-doholona? Inona izany no mba lalàna nahasoa ny vahoaka malagasy efa lany sy mihatra nivoaka tao? Isan’ireo fanontaniana mipetraka izany rehetra izany amin’izao fotoana izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.