Lany tsy nasiam-panitsiana sy fanovana teny amin’ny Antenimieram-pirenena -Lapan’I Tsimbazaza, omaly Alarobia 15 Novambra 2017 tamin’ny Fivoriambe azon’ny besinimaro natrehina ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana iasana ny taona 2018.
Nitarika ny fivoriana tamin’io ny Filohan’io andrim-panjakana io, Jean Max Rakotomamonjy niaraka tamin’ireo Filoha lefitra anankiroa: Razafimanantsoa Hanitra sy Mahazoasy Freddie. Tonga nanatrika izany ny fianakaviambean’ny Ministeran’ny Vola notarihan’ny Ministra Andriambololona Vonintsalama.Tsapa fa nitombo avokoa ny tetibola ampiasain’ireo andrim-panjakana sy ny ministera tsirairay avy ao anatin’ity tetibola 2018 izay ahitana Loha-hevitra dimy(05): Ireo antonantony,tondro ara- toe-karena sy ara-bola,vola miditra, fandaniana, famatsiana ny fatiantoky ny teti-bola. Hita ao anatin’ity Teti-bola hoan’ny taona 2018 ity, fa ny harinkarena faobe dia vinavinaina ho 493,0 Miliara Ariary. Ny tondrom-bidim- piainana kosa dia heritreretina ho 7,8% ho an’ny taona 2018. Heritreretina ho 5,1% ny fitomboan’ny harin-karena faobe, dia ny tahan’ny fandaniam-bola indray raha mihoatra amin’ny harin-karena faobe dia mahatratra 19,9%. Ny taha-pamokarana indray dia mahatratra 17,4%. Mitentina 2256 Miliara Ariary ny fampidiram-bolam-panjakana hoan’ny fadin-tseranana, izany hoe 14% raha hoarina amin’ny taona 2017. Ny zava-baovao ho entin’ity lalàna ity kosa ny fahafahan’ny Sampan-draharahan’ny Hetra mametraka Mpanara-maso any amin’ny toeram-pitrandrahana Harena an-kibon’ny tany sy Solika ary any amin’ny toeram-pitrandrahana hafa. Eo amin’ny resaka Jirama, mitentina 209 miliara Ariary ny fanampiana ny io Orinasa io. Mitentina 1571, 3 Miliara Ariary ny fandaniana ho an’ny resaka fotodrafitrasa. Eo amin’ny sehatra ara-tsosialy dia mitentina 2158, 3 Miliara Ariary izany hoe mahatratra 29%n’ny teti-bola izany. Mahakasika ny rano sy ny angovo ary ny fanadiovana indray dia mitontaly 325,3 Miliara Ariary ny hoenti-manana. Hiakatra ho 2088 miliara Ariary ny fandaniana ho an’ny mpiasam-panjakana noho ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fiovan’ny “avancement”-ny mpiasam-panjakana ary ny fandoavana ny karaman’ny Mpampianatra FRAM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.