Tena malahelo sy marary fo aho ry Mr Rivo mahita ito zavatra ito (teleferika)
mandeha, nefa ny jiro ety aminay tapaka foana. Ny fahatapahan-jiro no mamotika tanteraka ny Nys kely mba hivelatra. Na ny fisc na ny CGA (Centre de gestion agréé) aza mila tsy ho voahefa. Kivy avo! Nanantena ilay ODOF (One District One Factory) aho ka nividy masinina tany Chine. Indrisy, niasa 3 volana, may potika ny maoterany, mbola noho ilay Jirama ihany,” hoy Ny Tsiky, mpandraharaha namorona ny savony Nys, tamin’ny resaka nifanaovany tamin’i Rivo Rakotondrasanjy, Filohan’ny FIVMPAMA, ka nozarain’ity farany ho fanairana. Io mpandraharaha io, izay nandalo tantsoroka ara-pitantanana tao amin’ny CGA, dia naneho fa nisy vokatra tsara taminy ny fanampiana ara-pandraharahana: fividianana masinina, menaka, ary fananganana orinasam-pitaterana. Saingy indrisy, hoy izy, “noho ny làlana ratsy tanteraka dia lany amin’ny piesin’ny fiara ratsy ny vola azo. Tsy hitako intsony izay atao fa tsy mba mpitaraina sy mpanoratra tahaka izao aho.” Ny septambra 2022, nitsidika ny orinasany ny Minisitry ny Indostria tamin’izany, Atoa Edgard Razafindravahy. Orinasa nanomboka niroborobo, nanome lanja ny haitao Malagasy, satria injeniera Malagasy nivoaka tao amin’ny ESPA Vontovorona no namolavola ireo fitaovana. Niainga tamin’ny famokarana savony 300kg isan’andro tetsy Andraisoro, niitatra hatrany ambanivohitra toa ny Manjakandriana sy Moramanga, niakatra 400–500kg isan’andro ny fangatahana. Ny tranga toy izao dia manaporofo fa marary ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara. Isan’ny olana lehibe ny angovo. Vao tapa-bolana izay, nilaza ny Filoha Andry Rajoelina fa “ny indostria no ain’ny Firenena,” saingy ny zava-misy dia mandohalika ireo orinasa, indrindra ny PME. Ny delestazy mamotika, ny findramam-bola mety tafakatra 20-40% ny zanany raha 5% any ivelany, ny fitakian-ketra sy ny redressement fiscal misavovona,... Mila finiavana sy politikam-panjakana mitodika amin’izy ireo. Mila fitiavan-tanindrazana ara-toekarena na « patriotisme économique » mba hanavotana ny mpandraharaha Malagasy satria ireo no ain’ny toekarena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.