Amin’izao andron’ny fanatontoloana izao dia tsy azo ihodivirana intsony ny fironana anatin’ny tontolon’ny informatika sy ny teknolojia vaovao.
Na ny Banky Iraisam-pirenena aza dia milaza fa anisan’ny singa iray lehibe ahafahana manafoana ny fahantrana ny fampiasana ny teknolojia vaovao sy avo lenta. Azo lazaina fa mbola tara i Madagasikara amin’io sehatra ahafahana mampandeha kokoa ary mampiroborobo ny famokaran’ny orinasa io. Tsy ny famokarana ihany anefa no mahazo tombony amin’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta fa ireo sehatra maro hafa tahaka ny fambolena sy ny fizahan-tany izay ainga ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena dia mahazo vahana rehefa mahafehy ny teknolojia. Efa filàna maneran-tany ary vokatry ny fanatontoloana ny fivoarana amin’ny teknolojia. Maro ny orinasa misehatra amin’ny teknolojia vaovao sy avo lenta (NTIC) nitsangana nanomboka ny taona 2014 hatramizao. Ny 3 taona fotsiny dia efa nahatratra 70 izany ary saika irony call center, famoronana site web sy logiciels ary applications mobiles no maro an’isa amin’izany. Na izany aza dia mbola ilàna ezaka be ny fanarahana sy ny fampiofanana mahakasika ny teknolojia malaza sy vaovao eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Anisan’ny olana sedrain’ny orinasa amin’izao fotoana izao ihany koa ohatra ny fomba fitehirizana ny vaovao izay mahataraiky hatrany an’i Madagasikara. Misy amin’ireny orinasa natsangana taty aoriana ireny anefa no manome vahaolana amin’izany tahaka ny traitement de données, ny fikirakirana kaonty (comptabilité). Tombony ihany koa ny fanamorana ny amin’ny sehatra fitantanana ankapobeny ary lasa haingana sy marina noho ny fikirakirana ny teknolojia indrindra ho an’ireo orinasa lehibe mampiasa olona maro. Araka ny tatitry ny filan-kevitry ny fampandrosoana ara-toekarena (EDBM) dia 35% amin’ireo orinasa nitsangana nanomboka ny taona 2014 hatramin’ny 2016 dia tantanan’ny vahiny ary efa ambony lavitra io tarehimarika io raha ny amin’izao fotoana izao. Ny zavatra hita dia miantraika avy hatrany amin’ny asa atao sy ny famokarana ataon’ireo orinasa ny fahaizana mifehy ny teknolojia.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.