Toekarena

Teknolojia avo lenta Mbola vitsy ny orinasa sahy miroso


  • Zoma 13 Septambra 2019

Tanteraka omaly tetsy amin’ny La Vallée Ampahibe ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny orinasa mpamatsy vola Miarakap sy ny Hairun Technology.

 

 

 

Tanjona amin’izao fifanarahana izao ny hampiroboroboana ny sehatra ny teknolojia eto Madagasikara ary hahazo 1 miliara Ariary avy amin’ny Miarakap ny orinasa Hairun izay misehatra amin’ny nomerika. Mamorona rindraim-baiko izay saika ampiasaina any ivelany ity orinasa nahazo famatsiam-bola ity ary ny 95%-n’ny mpanjifany dia any amin’ny firenena hafa. Nanambara ny filoha mpanorina ny orinasa Hairun, Ranto Andriambololona fa hampidirana mpiasa vaovao maro io vola io mba hahazo ireo tsena lehibe mifanaraka amin’izany. Olana mateti-pitranga eto Madagasikara ny fandehanan’ireo manampahaizana mifindra toerana mikarama ambony kokoa any andafy (fuite de cerveau) saingy efa malina tamin’izany ity orinasa ity ary tena miezaka mampiofana ireo tanora vao erotrerony ary mijery tsara ny lafiny karama sy mahaolona. Taorian’ny orinasa Chicky, APEM-PAIQ, ny Vatel dia hisitraka ity famatsiam-bola ity ny orinasa Hairun. Tsiahivina fa manohana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) ny Miarakap mba hitombo ny vola miditra ary hiroborobo ny asa atao. Vitsy ny orinasa Malagasy tsy mahafoy ny famoaham-bola amin’ny fikirakirana ny rindram-baiko sy ny teknolojia avo lenta ka hanao izay ho afany ny orinasa Hairun mba ho fitaratra.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT