Toekarena

Teknisianina navoaky ny ENAM Rasoloson Hery no “Major des Majors”


  • Alarobia 07 Jona 2017

Namoaka voalohany ireo teknisianina ambony miisa 174 nanaraka ilay fiofanana mitohy na “Formation continue Cycle Expertise” ny sekoly ambony Enam etsy Androhibe. Rasoloson Hery no Major des majors tamin’izany tao anatin’ny andiany “ Mamiratra”.

Niofana nandritra ny 18 volana izy ireo tamin’ireo karazana lalam-piofanana miisa efatra dia ny  « Diplomatie et Relations Internationales », ny « Administration Publique », ny « Administration Financière » ary ny « Nouvelles Technologies de l’Information et de la Communication (NTIC) ». Antenaina hitondra avo ny fanarenana ny firenena ireto teknisianina ambony ireto. Sady manampahaizana ambony ihany koa mantsy izy ireo no  vonona ny hiady amin’ny fahantrana. Marihina fa saika efa mpiasam-panjakana manana ny toerany avokoa ny ankamaroan’ireto mpiofana ireto, izay  efa misy minisitra, mpitsara, mpisolovava, manamboninahitra …. Ny maripahaizana Bacc+5 no nahafahan’izy ireo nanaraka ny fiofanana izay fepetra takiana amin’ny mpiofana rehetra ihany koa. Ny Maitre Rasoloson Hery moa no Major des majors tamin’izany, voalohany tamin’ny lalam-piofanana (Diplomatie et Relations Internationales)   narahiny ihany koa sady filohan’ny fikambanan’ireto mpiofana ireto. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony no nanambarany fa tokony hapetraka amin’ny toerana tokony ho izy  ny sekoly ambony ENAM  sy ireo mpiofana nivoaka tao aminy mba tsy ho mena-mitaha amin’ny any ivelany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT