Toekarena

«Taux directeur» 9% Hampihisatra ny fampiasambola


  • Alarobia 10 Mey 2017

Tsy resy lahatra amin’ny fampisondrotan’ny komity mpikirakira vola eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara ny «taux directeur» ho 9% manomboka rahampitso 11 mey 2017 ny fianakaviamben’ny mpahay toekarena Malagasy.

Antony fototra ny fialana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana mety hitohy lavareny, hoy ny governora Rasolofondraibe Alain Hervé. Manahy noho ity fanapahan-kevitra tsy voahevitra ity rahateo ny ekonomista Malagasy. Miseho ivelan’ny banky avokoa mantsy ny ampahany betsaka amin’ireo vola mivezivezy eto Madagasikara, araka ny fanamarihan’ireo manampahaizana momba ny toekarena. Fampikatsoana ny fampiasambola io fepetra noraisina io ary hampihisatra tanteraka ny lafiny famokarana eto amin’ny firenena, hoy ny mpampianatra mpikaroka Ratobisaona Rado. Hiantraika mivantana amin’ireo tokantrano sy orinasa efa vitsy mampiasa vola eny amin’ny banky ny fitomboana 0,7%, araka ny fanampim-panazavany. Ny mpitondra fanjakana izay mivoy ihany koa ny politikan’ny fisarihana ireo mpampiasa vola hampiakarana ny harikarena Malagasy.

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT