Nampahafantarina tetsy amin’ny minisiteran’ny vola sy ny fitantanam-bola Antaninarenina fa vita ny tomban’ezaky ny teknisianina avy amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) izay notarihin’i Marshall Mills,
lehiben’ny iraka ho an’i Madagasikara. Raha tsiahivina, tonga teto Antananarivo izy ireo nanomboka tamin’ny 14 martsa ary tapitra ny 28 martsa teo ny iraka nampanaovina azy ireto. Tahaka ny mahazatra dia nanao tatitra izy ireo fa mitombina sy mirindra tsara amin’ny tokony ho izy ny toekaren’i Madagasikara. Mizotra mankany amin’ny tsara ny fiakaran’ny harinkarem-pirenena. Ankoatra izay, tsy nahitana olana, hono, ny resaka ara-bola eo anivon’ny banky foiben’i Madagasikara. Mitovy amin’izay ihany koa, nilaza izy ireo fa mandeha tsara ny fifampiraharahan’i Madagasikara amin’ny any ivelany. Na dia teo aza ny dokadoka dia nametraka teboka vitsivitsy izay mila jerena akaiky ihany aloha izy ireo. Mikasika ny JIRAMA dia hampitomboina ny fampiasam-bola amin’ny famokarana mankany aminy noho ny fiakaran’ny vidin’ny solika iraisam-pirenena. Ao ihany koa ny vidin’ny solika eto an-toerana izay tokony hifampiraharahana tsara ahazoana ny vidiny mifanaraka amin’ny toekarena eto Madagasikara. Voaresaka ihany koa ny maha zava-dehibe ny fampandaniana ireo lalàna 2 eo anivon’ny antenimieram-pirenena momba ny famerenana ireo fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna (avoirs illicites) sy ny ady amin’ny famotsiam-bola. Amin’ny ankapobeny, nahita ireto iraka manokana ireto fa tsara ny vokatra azo avy amin’ity fandaharan’asa ara-toekarena tohanan’ny famatsiam-bola FEC (Facilité Elargie de Crédit) ity. Ao anatin’ny fandalinana fahatelo ny fampindramam-bola mandritra ny telo taona ho avy indray ny FMI. Mahagaga hatrany ny fahitan’izy ireo fa mandeha amin’ny tokony ho izy ny toekarena. Sa ny tarehimarika omena azy ireo no tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ? Ny mpahay toekarena Malagasy aza moa nampiaka-peo mihitsy tetsy amin’ny fihaonambe nasionaly ara-toekarena sy tetsy amin’ny Banky Iraisam-pirenena vao tsy ela akory fa potika sy latsaka ambany dia ambany ny toekaren’i Madagasikara.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.