Toekarena

Tataon-ketra ho an’ ny fako sy ny fanadiovana Mba hipaka mivantana any amin’ny vahoaka


  • Talata 24 Desambra 2019

Any amin’ny firenena mandroso dia tsy ahitana olona manarinary hodi-boankazo na fako eny an’ arabe satria hentitra ny azy ireo ny fampiharana ny lalàna.

 

Eto amintsika dia fahazaran-dratsy izany. Raha vao tenenina amin’ izany ny olon-tsotra dia tezitra. Mitobaka loatra ny fako ka mandoto tanàna no sady manentsina ny fantsona fivoahan’ny rano. Ho an’ Antananarivo Renivohitra, mahatratra hatrany amin’ny 700 taonina isan’andro amin’ny ankapobeany ny fako ao aminy ary maherin’ izany amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao. Mikasika kosa ny fikojakojana ireny fotodrafitrasa iombonana ireny dia misy vola efa atokana amin’ izany amin’ny alalan’ny hetra aloan’ny olom-pirenena. Eto amintsika dia misy tataon-ketra amin’ ny trano fonenanana atao hoe « Redevance ordures ménagères » sy ny « redevance Assainissement eaux usées » hita amin’ ny any faktioran’ny JIRAMA saingy tsy milamina hatreto na ny fitantanana ny fako na ny rano maloto.  Ny SAMVA (Service Autonome de maintenance de la ville d’Antananarivo) moa no mitantana izany. Na dia eo aza izany dia tena ilaina ny fanaovana fanadiovana iombonana aorian’ny krismasy sy faran’ny taona. Tsy tokony atao fahazarana izany satria raha samy manadio ny manandrify ny tranony sy ny lalana mifanila amin’ izany dia hadio ny tontolo.

MarignyA.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT