Toekarena

Taotrano sy asa vaventy 50%-n'ireo mpandraharaha no efa nampiato ny asa


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Nisy ny fivoriana sy ny fifanakalozana nijerevana ny olana atrehan’ ireo mpandraharaha misehatra amin’ny taotrano sy ny asa vaventy tetsy amin’ny Hotely IBIS Ankorondrano omaly.

 

 

 

Nanambara ireo mpandraharaha mivondrona ao amin’ny SEBTP (Sendikan'ny Orinasa misehatra amin'ny taotrano sy asa vaventy) fa raha mitohy ny krizy ka tsy misy ny vahaolana mazava avy amin’ny fanjakana dia ahiana ny hahafatesan’ ireo orinasa misehatra eo amin'ny tontolon'ny taotrano sy ny asa vaventy ireo afaka fotoana vitsy. Amin’izao fotoana izao mantsy dia ny 50%-n'ireo mpikambana ao amin'ity sendika ity no efa nampiato ny asany kanefa izy ireo no mampidi-bola hatrany amin’ny 90% eto amin’ny firenena amin’io sehatra io. Nilaza ihany koa ny teo anivon’ny SE-BTP tamin’ny alalan’ny filohany, Hary Andriantefihasina fa tena olana ny tsy fahampian’ny vola ho entina miodina (trésorerie) izay sakana tsy ahafahana manafatra ny akora sy ny fitaovana any ivelany ary efa tena manahirana na ny handoavana ny karaman’ny mpiasa aza. Sarotra hoy izy na ny fandefasana mpiasa any amin’ny faritra aza amin’izao fotoana izao raha tsy hilaza fotsiny ny olana any Toamasina. Manginy fotsiny ny fijanonan’ny Orinasa Ambatovy teto Madagasikara izay misandrahaka mampiasa olona maro be amin’io sehatra io izay mitarika ny fihenan’ny vola miodina (chiffres d’affaires) hatrany amin’ny 50% ihany koa amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy holaharam-pahamehana ny findramam-bola eny amin’ny Banky kanefa fantatra ihany koa hoy izy ireo ny fidanganan’ny zana-bola alain’ny Banky eto Madagasikara. Nilaza ihany koa ny Filohan’ny Sendika fa andrasana ny fihaonana amin’ny Filoham-pirenena izay efa nampanantena fa handray azy ireo manokana. Antenaina hoy izy ny fanohanana ny orinasa Malagasy izay manana traikefa feno sy ampy amin’ny fanatanterahana tetikasa fananganana fotodrafitr’asa goavana eto amin’ny firenena. Tsiahivina fa miisa 6000 ka hatramin’ny 12 000 ny mpiasa misehatra amin’ny sehatra taotrano sy asa vaventy eto Madagasikara.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT